30 aprily 2023 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — Taona A — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)
♦ Ny finoana raisina sy zaraina no ijoroantsika ho vavolombelona hahazoana ny fiainana mandrakizay, hoy i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja tao amin'ny Eglizy Masinandraina Andraikiba Antsirabe... ♦ Notanterahina tao amin'ny Kianjan'i Mgr Xavier Tabao, Antanambazaha ny Festival des chorales, nokarakarain'ny Radio Aina Mananjary... ♦ Frera efatra mirahalahy no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny Fikambanan'ny Frères Hospitaliers de Saint Jean de Dieu ny 16 sy 23 aprily 2023...
Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara" raha ny momba ny fahafahan'ny tantsaha niatrika ny fiovan'ny toetr'andro nofaritana tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika miisa 174 no natao nandritra izany. Tokantrano 17.800 mahery no nisitraka fampiofanana momba ny teknika fambolena lovain-jafy. Nihoatra lavitra tamin'ny tanjona nofaritana no tratra, taha hatrany amin'ny 153%. Amporisihana ireo tantsaha hanao ny voly mampidi-bola sy voly atao sakafo mba hisorohana ny fanapotehana ny ala hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiatraikan'ny COVID-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro.
Manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra isika araka ny làlana sy ny traikefa ary ny sedra diavintsika tsirairay avy. Manana drafi-pitiavana ho ahy eto an-tany Andriamanitra, tsy misy kisendrasendra izany. Ny zava-drehetra dia nalahatr’Andriamanitra avokoa, ary ny faniriany ho antsika dia ny fiainana anatin’ny fahafenoana. Miantso ny olombelona hitady Azy Andriamanitra, hahafantatra Azy sy ho tia Azy. Tanora mandalo sedra sy fitsapana aho fa tsapako “fa sarobidy eo imason’Andriamanitra aho ary tonga eto (an-tany) aho ho amin’ny iraka manokana anirahany ahy”. Fandaharana "miaina sy mitia"
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco