♦ Nankasitraka ireo rehetra niara-niombom-bavaka tamin'ny fanentanan'ny Papa François, ny Nonce Apostolique Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana... ♦ Fanomezana sarobidy ho an'ny tantara ny fahanterana, hoy ny Papa François, nandritra ny katesizy ny alarobia 23 marsa 2022...
Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.
Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.
Ny zava-nisy dia nifarana ny ady tao amin'i "Golfe de Persique". Namaha ny olana teo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa no votoatin'ity ansiklika ity. Isan'ny olana goavana ny fampiasana renivola sy ny asa, izay nampisongadina ny elanelana teo amin'ny mahantra sy ny mpanana. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco