Ny fijoronao amin'ny maha-izy anao dia mahasarika ny hafa ary mandrisika azy hanaraka sy hihaino anao. Ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana malagasy iray rehefa manaja sy miaina tsara ny kolontsaina malagasy, satria ao anatin'io kolontsaina eo an-toerana io ihany no afaka mamaka eo amin'ny fiainan'ny tsirairay ny Evanjely. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Hisy fiantraikany amin'ny fifandraisan'i Madagasikara amin'i Rosia ny zava-misy ara-dplômatika eto amin'ny firenena, hoy ny antoko Fiombonana. Nambaran'izy ireo fa tsy azo iverenana intsony ilay fanapahan-kevitra noraisin'ny fitondrana Malagasy, momba iny raharaha iny... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana... ♦ Nihemotra ny fotoam-pitsarana an'Andriamatoa Marcel Rakotomalala, ilay raim-pianakaviana voarohirohy tamin'ny resaka fanaovana vola sandoka...
Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.
Tafita any amin'ny zanaka tokoa ve ny fampirisihana ataon'ny ray aman-dreny hoe : "ny fianarana no tena lova tsara indrindra" ? Tsy mitovy intsony amin'ny zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nilazana izany ny tranga ankehitriny sy ny tontolo manodidina, ka izay no mahatonga ny fanontaniana hipetraka. Na inona na inona anefa trangam-piainana miseho ankehitriny dia tena mbola manana ny hasiny ny fianarana, indrindra ny any amin'ny fanabeazana fototra.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco