♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny fanadihadiana maharitra eny anivon'ny tokantrano, taona 2021. Hampiasa ny teknôlôjia misy amin'ny alalan'ny tablette ny INSTAT, hanangonana ny antontan-kevitra amin'ny tokantrano manodidina ny 17000... ♦ Afaka misitraka ny tetiandrom-pambolena vaovao 2021-2022, ny tantsaha manerana ny nosy. Tetiandro nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy, androany teny Ankrondrano...
Tsy afaka milaza ho nantsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanambadiana ny olona iray raha tsy maty an-kazo tokana tamin'ny olona iray nekeny ho vady ; toy izany koa ny pretra na relijiozy iray, tsy afaka ny hiambo ho pretra na relijiozy izy raha tsy maty tamin'ny lalana nosafidiny na dia niaritra olana sy sedra maro aza. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Akon'ny fankalazana ny Andron'ny Tanora, izay ankalazaina amin'ny Fetin'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao...
Alahady 21 novambra 2021 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 33b-37
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco