♦ Nanatanteraka ny fitsidihana Pastoraly voalohany ho an’ny taona 2022 tao amin’ny Diosezin’Ambanja i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevakan’Antsiranana, Admnistrateur apostolique ao Ambanja... ♦ Tsy mamela antsika ho irery fa miombona amintsika mpanota te hibebaka i Jesoa, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava, nandritra ny fanamasinana ho diakra ireo frera karma telo, nandritra ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo omaly... ♦ Ny vavaka no mampiaina ny fiainantsika, hoy ny Papa François, tamin’ny fampianarany nialoha ny vavaka Angélus omaly, alahady nankalazana ny Batemin’ny Tompo...
Alahady 9 janoary 2022 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe : Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 15-16. 21-22
Ny Fitaizam-pahasalamana amin'ny lafiny rehetra dia sarobidy satria ny fahasalamana no iankinan'ny fiainana manontolo. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ilaina tandrovina tsara. Ny fahasalamana dia tsy hoe "tsy fisian'aretina" fotsiny ihany, fa azo hadika ho fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina, ara-pifandraisana sy ara-tsosialy ihany koa...
Nihanalefaka ny fifandraisan'ny fitondrana kolonialy sy ny misionera, teto Madagasikara, nanomboka 11 mars 1913, tamin'ny fitondran'i Albert Picquié. Zary lasa ivon-toerana iaingan'ny fampandrosoana ny fonenan'ireo misionera. Navoitry ny Eveka tamin'ny Kongresy Eokaristika ny 18-28 janoary 1934 ny fitiavan-tanindrazana.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco