Tohin'ny asa fahariana ny Vavak'i Jesoa satria mamerina ny hasin'ny olombelona ho amin'ny fahamasinana izay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Mijanona eto an-tany ny fiainana maha olombelona fa ny hitovizana amin'Andriamanitra no entina any an-danitra. Izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina sy Jesoa Kristy ilay nirahiny dia tsy ho tonga zava-boahary vaovao mihitsy izy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Natsikafon'ny Cnoe androany, ireo tsy fahatomombanana hitany nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo... ♦ Nampiditra vola 500 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny fizahan-tany tamin'ny taon-dasa. Misy indray ny foara iraisam-pirenena momba ny fizahan-tany, ety Ivato, hampiroboroboana io sehatra io... ♦ Tafakatra 600 eo ny isan'ireo zaza latsaky ny 18 taona voatazona am-ponja. Misy ny atrikasa hitadiavana vahaolana sy hampitoviana ny fomba fijerin'ny mpitsara zaza tsy ampy taona, amin'ny fampiharana ny lalàna amin'izy ireo...
Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanadinana dia sedra ara- "psychopédagogique" ho an'ny mpianatra. Ny voambolana " Psychopédagogie" dia fitambaran'ny teny roa : Psychologie + pédagogie ; izany hoe fampianarana mifototra amin'ny toetra sy ny fomba fampitana fahalalana amin'ny olona iray. Ny fanadinana dia sedra ahafahan'ny mpianatra manomana ny sainy hiatrehany ny fiainany ho avy. Ny fanadinana dia fanabeazana ny mpianatra hahay hifehy fotoana sy hifehy tena... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco