♦ Fanomezana ny hasin'ny fianakaviana no laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy aty amin'ny Kaontinanta Afrika sy Madagasikara... ♦ Diosezy 18 no nandray anjara tamin'ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampiraisna ny mpino tany Mananjary... ♦ Tsy tokony hampisy sokajy hahazoana tombontsoa manokana ny fahasamihafan'ny asa fanompoana ao amin'ny Eglizy, hoy ny Papa François...
Ny filaminana dia ilaina tokoa na eo amin'ny fiaraha-monina samihafa na eo anivon'ny ankohonana. Isika tsirairay avy no mitambatra no zary ankohonana ary ny filaminan'ny tsirairay no antoky ny filaminan'ny ankohonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Feno folo taona katroka androany ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François. Nandefa hafatra firarian-tsoa sy fiarahabana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalaza ny fetin'i Marie Eugénie, mpanorina ny fikambanana Religieuses de l'Assomption, ny tao amin'ny Diôsezin'i Manajary, ny alahady 12 marsa 2023... ♦ “Omeo raho aho hosotroiko”. Io fangatahana nataon'i Jesoa tamin'ilay Samaritana io, no mampiseho fa mangetaheta ny fitiavan'ny olombelona i Jesoa, nefa ihany koa manasa antsika mba hikolokolo ny hetahetan'ny hafa...
♦ Nifarana omaly alahady ny Sinaody kaontinantaly, izay notanterahana tany Addis-Abeba, Ethiopie. Fotoana niarahan-dia marina tokoa, nandinihana ny fiainan'ny Eglizy... ♦ Notsofin-drano sy natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Birao Mpanatanteraka eo anivon'ny VDKT, ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Miaina ny finoana amin'ny fiainana andavanandro, io no fanentanana natao ho an'ny tanora ao amin'ny Secteur Androna, nandritra ny recollection amin'izao Karemy izao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco