Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Ny finoana raisina sy zaraina no ijoroantsika ho vavolombelona hahazoana ny fiainana mandrakizay, hoy i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja tao amin'ny Eglizy Masinandraina Andraikiba Antsirabe... ♦ Notanterahina tao amin'ny Kianjan'i Mgr Xavier Tabao, Antanambazaha ny Festival des chorales, nokarakarain'ny Radio Aina Mananjary... ♦ Frera efatra mirahalahy no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny Fikambanan'ny Frères Hospitaliers de Saint Jean de Dieu ny 16 sy 23 aprily 2023...
Mahaiza mifanampy isika Malagasy amin'ny fanjifàna ny vokatra eto an-toerana, fa ny vita avy any ivelany manabe takolaka ny hafa fotsiny. Tsangan-kevitra apetraka ny hoe : "maro tohanan'ny maro". Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mifantoka amin'ny zava-misy iainan'ny firenena, ny hafatra avy amin'ny Justice et Paix, izay nanatanteraka ny Fihaonambe, ny 18 hatramin'ny 21 aprily 2023... ♦ Nanatanteraka Zaikabe sady nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-90 taona niorenany, ny MDMK-CVX ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Fianakaviambe Fransiskana, tia sy manaja ny Tranobe iombonana, io no lohahevitra nifampizarana nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tany, ny Rano ary ny Ala, teny amin'ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy teo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco