Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
♦ Tsy tokony hanaovana ady hevitra pôlitika ny voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hoy i Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Vehivavy miisa 160 hatramin'ny omaly no nisitraka ny fitaterana maimaim-poana mankany amin'ireo hôpitaly lehibe telo ampiharana ny fitaterana maimaim-poana ny vehivavy mitondra vohoka, iarahana amin'ny FNUAP...
Alahady 26 aprily 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo ; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.
♦ Efatra andro nisesy izao, tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ireo natao fitiliana teny amin'ny Institut Pasteur, nitombo 6 ihany koa ny olona sitrana tato anatin'ny 24 ora... ♦ Naheno ny paik'ady nampiharin'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny Coronavirus ny Filoha Congolais ka niresaka manokana tamin'ny Filoha Malagasy omaly ny amin'ny fampiasana ny Artemisia...
♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco