Alarobia 28 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46
♦ Tonga androany tolakandro tetsy amn'ny seranam-piaramanidina tety Ivato ny vakisiny Johnosn & Johnson, fanomezana avy amin'ny Fanjakana amerikanina. Hisitraka maimaim-poana izany ny Malagasy maniry hatao vakisiny, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny... ♦ Hamatsy vola amin'ny famatsian-drano, amin'ny tanana miisa 16 any amin'ny Distrikan'Ambovombe sy Amboasary Atsimo ny PAM. Olona miisa 16000 no kendrena hahazo rano fisotro madio avy amin'izany...
Vao tsy ela akory no nisian'ny Sinaoda maneran-tany ho an'ny tanora, taoriana izay dia nandalo teto Madagasikara ny Pape Fransoa. Amin'ny fitsidihina rehetra hataony dia mihaona amin'ny sokajin'olona maro ny Pape Fransoa, ary tsy hadinony ny mihaona manokana amin'ny tanora. Resahina entoana ny loha-hevitra hoe : fikolokoloan'ny tanora ny fahaiza-manaony. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Nankalazaina tao amin'ny Fiangonana Trinite Masina Mangasoavina ny Andro maneran-tany voalohany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny Zokiolona, teto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao Amboahangibe ny fanamasinana ho pretra, andiany faharoa, ho an'ny diôsezin'Antsiranana... ♦ Notokanana ny 23 jolay 2021 ny "Maison de la culture - Casa di Luigi Piotto"...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco