♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…
Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.
Anisan'ny resaka mafanafana ny VIH/SIDA amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ny VIH/SIDA, koa ilaina ny fahafantaran'ny olona io aretina io, torak'izany ny fitrangany sy ny hisorohana ny fiparitahany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin'ny fiadiana amin'ny VIH/SIDA, tsy tokony hailikilika ireo marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fianakaviana dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanafahana ny olona iray amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ilaina ny fahaiza-mihaino malalaka sy mavitrika ary tsy mitsara an'ireo izay tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina. Ny sekoly dia manana anjara amin'ny fitsaboana sy fanohanana ireo tratry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny fisorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco