♦ Ny talata 09 jolay izao no hivory voalohany eny Tsimbazaza anaty fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vaovao 163. Anarana roa no efa mandeha any, hitàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manambana ny tsy hitsara ny taratasim-panadinana BEPC ireo sendikàn'ny mpampianatra, raha tsy ho voaloa ny "vaccation". Efa maheno siosion-dresaka sahady ireo sendika, amin'ny tsy hahaloavana izany ara-potoana... ♦ Hanomboka amin'ity volana jolay ity ny fitsaràna miaramila taona 2024 eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Hanombohana izany ny eto Antananarivo... ♦ Nahitàna razana 19 tany amin'ny tanàna iray amin'ny sisin-tany iraisan'i Guatemala sy Mexique...
♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan' Antanimora nanomboka omaly hariva Ramatoa Olga Ramalason, kandidan'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao Antsirabe voalohany... ♦ Latsaka an-davaka ary tsy rariny ny mahazo ny firenena noho ny tsy fisian'ny tany tan-dalàna, antony mampijoro ireo havara-pianarana ankehitriny... ♦ Hanimba ny fifantohan'ny mpianatra amin'ny fianarana ny fandalovan'ny zotra teleferika ambon'ny Sekolintsika eny Analamahitsy hoy ny tompon'andraikitra ka tsy eken'izy ireo ny handalovan'izany eo amin'ny sekoly... ♦ Tafaverina any Egypte ny sarivongan'ny mpanjaka Ramses-II, rehefa very nisy nangalatra 30 taona lasa izay...
♦ Hitohy anio amin'ny alalan'ny diabe am-bavaka hihazo ani Vohipeno ny Pelerinazy miaraka amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana... ♦ Hisy fiatraikany goavana amin'ny andavanandrom-piainan'ireo olona manana tany voakasik'ilay fanamboaran-dalana miainga eny Andranotapahina mihazo ety Ivato, ny fanohizana ny asa ka mangataka ny hampitsaharana izany izy ireo... ♦ Mbola ho sarotra ny hahavitan'ireo solombavambahoaka ny andraikitra nankinina amin'izy ireo raha toa ka tsy hahazo ny maroan'isa eny Tsimbazaza ny mpanohitra hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Teza... ♦ Tsy mbola naneho hevitra manoloana ilay valim-panafihana nataony tany Iran i Israel...
♦ Nanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara ho fanampiana amin'ny fikarakarana fifidianana malalaka sy mangarahara ary eken'ny rehetra eto Madagasikara, ny Governemanta Amerikana... ♦ Nanohy ny hetsika tamin'ny alalan'ny "Sit-in" ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo omaly, teny Ankatso. Tsy hihemotra amin'ny fitakiana izay nataony izy ireo, araka ny lahateny teny an-toerana... ♦ Naneho hevitra momba ny delestazy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, efatra andro tao aorian'ny fe-potoana nomen'ny Filoham-pirenena...
♦ Efa niharan'ny sakan-dalana nataon'ny dahalo tao antampon'Ihorombe ireo mpizaika avy any Ambovombe Androy, nialohan'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tany Ikelivaho... ♦ Miverina indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. Nisy hatrany ny fanafihana isan-kalina tao anatin'ny herinandro... ♦ Ny fanovana ny lalana mifehy ny antoko pôlitika sy ny fanaovana pôlitika ihany no ahafahana misoroka ny krizy ateraky ny fifidianana, hoy ny Solombavam-bahoaka teo aloha, ny Dr. Andriambololona Barson Claude...
♦ Miantso ny fitsarana mba hampihatra am-pahamarinana ny lalana mifanandrify amin'ireo namono olona telopolo mahery tany Ambolotarakely ny antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Antoka iray ahafahana mamerina ny fahatokisan'ny olom-pirenena Malagasy ny fitsarana izany, hoy ity antoko ity... ♦ Efa misy ireo miomana amin'ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko Malagasy Tonga Saina na ny MTS... ♦ Nanomboka ny folakandro teo teny Mahamasina ny Afrobasket sokajy lehilahy, latsaky ny 18 taona. Rahampitso no hiakatra kianja voalohany ny Ankoay, ekipa malagasy...
♦ Mbola 2% monja ny malagasy vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 amin'izao. olona 1 000 000 no kendrena ho vita hatramin'ny faran'ny taona hoy ny Ministeran'ny fahasalamana... ♦ Mampanahy ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika sy mitarazoka any atsimon'ny nosy, hoy ny tatitry ny FAO, omaly. olona maherin'ny 1 000 000 no ianjadian'izany... ♦ Nampiato ny fampianarana eny anivon'ireo sekolim-panjakàna indray ireo mpampianatra FRAM any amin'ny faritra Vatovavy. Fitakiana tambikarama roa volana in-dimy tsy mbola voaloa...
♦ Neken'ny CAF ny hijeren'ny vahoaka Malagasy ny lalao hifanandrinan'ny Barea sy ny ekipan'ny Ecureuil avy any Bénin rahampitso alakamisy, ka mpijery 10.000 isa no afaka mijery izany... ♦ Mahazo laka indray tato ho ato ny asan-dahalo ato amin'ny faritra Analamanga, isan'ny lasibatra ny eto amin'ny distrika Ambohidratrimo... ♦ Manana ny paik'ady sy drafitra matotra entina hanarenana ny seham-pitanterana anabakabaka eto Madagasikara, indrindra ny kaompania Air Madagasikara ny Ministra Tinoka Roberto...
À l'issue de sa deuxième Assemblée Générale qui s'est tenue du 15 au 18 octobre 2024, la Commission épiscopale Justice et Paix a adressé un message aux responsables étatiques à tous les niveaux, ainsi qu'à tous les Malagasy et à toutes les personnes de bonne volonté.
Lire la suite...Le Père Innocent Bizimana, Provincial des Salésiens de Don Bosco de Madagascar et de l'Île Maurice, nous présente, au nom de toute la Famille Salésienne de la Province, les vœux de bonheur en cette Solennité de la Nativité du Seigneur.
Lire la suite...Le court métrage "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) se concentre sur l’un des épisodes les plus difficiles de sa vie. Nous sommes à Viedma, en 1941: à 60 ans, Zatti est contraint de quitter l’hôpital qu’il a fréquenté pendant des décennies. Sa foi et sa force sont mises à l’épreuve.
Lire la suite...© 2025 Radio Don Bosco