Namerina ny fanasana an’i Papa François hamangy an’i CROATIE ny lehiben’ny governemanta croate Andrej PLENKOVIC.

Isan’ny nivoitra tamin’ny fihaonany tamin’i Papa tao Vatican, omaly, izany. Fihaonana izay naharitra 20 minitra teo ho eo. Nitohy tamin’ny dinika niarahana tamin’i Kardinaly Pietro PAROLIN sy Monseigneur Richard GALLAGHER izany avy eo. Voaresaka tamin’izany ny momba ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’i Vatican sy Croatie, ho an’ny tombotsoa iombonana. Noresahana ihany koa ny anjara andraikitr’i Croatie izay mitantana ny filankevitry ny vondrona eraopeana ato anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity. Tsiahivina fa efa nisy ny fihaonana voalohany teo amin’i Papa François sy ity praiminisitra croate ity tamin’ny volana oktobra.  

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...