Ny tevii-doha dia teny ara-pitsaboana ampiasaina hilazana ny mandeha ran'orona. Mora mandeha ra ny orona noho ny toerana misy azy eo amin’ny tarehy sy ny akaiky ny lalan-dra ao amin’ny fonon’ny orona. Misy karazany roa ny tevi-doha : tevi-doha hita ivelany, tevi-doha anaty zany hoe aorian'ny kambon'orona. Ny ankizy 5 hatramin'ny 10 taona no matetika mandeha ran'orona, misy ihany koa anefa ny olon-dehibe. Mety ho vokatry ny dona na aretina hafa no mahatonga ny tevi-doha, toetr'andro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Tsy aretina ny "fanina" fa fambaran'aretina, izany hoe fambara fa misy tsy araka ny tokony ho izy ny fahasalamana ao aminao. Ny olona fanina dia mahatsiaro tena. ; mety tranga mandalo, mety maharitra, mety miverimberina. Ny fanina dia misy tranga hafa miaraka aminy toy ny : maneno ny sofina, marary ny andoha, mitebiteby, maloiloy, mandoa, tsemboka. Ny "systeme vestibulaire" izay ao anatin'ny sofina no mandrindra ny horira antsika, raha misy mahakasika io dia izay no miteraka ilay fanina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny mialohan'ny diabeta dia tsy misy fambara mazava ho an'ireo olona manana olana diabeta sokajy faharoa (type II), izay 5 hatramin'ny 10 taona eo ny fihomboany. Ny "pré-diabète" dia amin'ny alalan'ny fitiliana no hamantarana azy ; ireto misy tokony ho fantatra : ny voalohany manao "glicemie à jeûne" tsy misakafo ao anatin'ny 8ora ka [1,10g/l - 1,25g/l] na [6,1mmol/l - 7,1mmol/l ] ny taha, ny faharoa fitiliana "intolerance au glucose".  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...