Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.

Nanolotra fiara mpitondra marary na "ambulance" iray ho an'ny Aumônerie Apostolique misahana ny olona sahirana ny Papa François, ny marainan'ny alahadin'ny pantekôty teo.

Namerina ny fanasana an’i Papa François hamangy an’i CROATIE ny lehiben’ny governemanta croate Andrej PLENKOVIC.

Nifamotoana tao amin’ny katedralin’i Masindahy Jozefa any ABOU DHABI, tamin’ny alarobia teo, ny ankohonampiainana katôlika any amin’io firenena io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...