♦ Nampikatso ny asa aman-draharaha rehetra amin'ny fadin-tseranana manerana ny nosy manomboka androany, ireo mpiasa ao amin'ny SEMPIDOU. Tsy nasahakana ny fitokonan'izy ireo ny fandrarana nataon'ny Préfet-n'ny Polisin'Antananarivo... ♦ Nisavorovoro tanteraka ireo mpikambana ao amin'ilay vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana, izay ho solontenan'ny fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CENI. Nisokatra nanomboka androany ny fahafahan'ireo kandidà manatitra ny firsotsahan-ko fidiany eny Alarobia...
Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin'ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : "Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana"
Ny fifanampiana eo amin'ny olona roa na mpivady na mpianaka dia mampifanaiky am-po ary miteraka fifampitokisana ka mahatonga fahatsaram-piainana eo amin'ny fifandraisana. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Alarobia 20 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48
♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco