11 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)

Evanjely maneho ny maha mpanalalana an’i Kristy ity vao nohenointsika ity. I Kristy mpanalalana antsika olombelona amin’ny Ray. Noho Izy Andriamanitra, itoeran’ny hatsarana rehetra no anton’izany: Izy ilay fitiavana sy famindram-po mahay mangoraka, ary manome izay mahasoa antsika olombelona; fa eo koa ny toetra maha olombelona Azy, mahalala sy mahatsapa ny mafy sy ny mangidy iainantsika fa indrindra izay mampangetaheta antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Noho Izy naka nofo toa antsika ka nifampizara sy nizaka ny maha olombelona tamintsika dia afaka hitondra sy hitalaho izany eo anatrehan’ny Ray. Mananjara isika mino an’i Kristy, isika manara-dia Azy, manana Azy ho mpanalalana.

Tsy izany ihany fa anisan’ny misongadina indrindra koa, tamin’ny Evanjely rentsika teo, ny toetra fototra mamaritra ny fiainantsika, maneho ny mampiavaka antsika, vokatry ny Batemy, izay nananganan’ny Ray antsika ho zanany tao amin’i Kristy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny Batemy no nampiombona antsika aina tanteraka amin’Andriamanitra, nahazoantsika mandray anjara amin’ny misterin’Andriamanitra, ary i Kristy ilay avy amin’ny Ray ary mankamin’ny Ray, no mitarika antsika rehetra koa ho amin’izany. Tsarovy ary fa manana ny hasiny isika, satria vita Batemy, ka manana adidy hitandro azy tsy ho ravan’ny haratsiana isika. Manana hiafarana ihany koa isika, dia ao amin’Andriamanitra, ka mila mizotra amin’ny lalana sy ny fiainana mitondra mankany. Aza varina na miraiki-po amin’izay tsy araka an’Andriamanitra isika, fa aoka hikatsaka ny fiombonam-piainana Aminy mandrakariva.

Jesoa ô, nasandratrao ho amin’ny laharana ambony izahay noho ny fitiavanao, ka tonga mpiombona anjara amin’ny maha Andriamanitra anao. Ho hainay anie, ny hitandro izany isan’andro. Ary ny fiainanay manontolo anie, ho entinay hanomezam-boninahitra anao.

[Miara-dàlana] Zoma 31 mey 2024

♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...