6 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)

Hafatra napetrak’i Kristy ho an’ny mpianany sy ireo hino azy ny handray ny teniny, haka tahaka ny nataony sy ny fiainana, hiainan’ireo manara-dia azy fiainana vaovao. Mba hahatanteraka izany no tsy maintsy ilana ny hery avy any ambony, iantsoana ny Fanahy Masina, izay Andriamanitra, fa nampanantenain’i Kristy ny mpianany. “rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray.” Ny Fanahy Masina izay hanambara an’i Jesoa, no hanavao ireo mpanara-dia Azy.

Ny fihavaozana voalohany ateraky ny Fanahy nampanantenain’i Kristy raha toa ka maka tahaka ny nataony sy izay niainany tokoa isika dia ny hahatonga izao tontolo izao ho heniky ny hafaliana sy ny fahasambarana, tontolo lavitry ny lolom-po sy ny fankahalana fa tontolo kosa hanjakan’ny fitiavana izay hany tokana manova izao rehetra izao. Ary zava-baovao faharoa, ambaran’i Kristy fa vokatry ny Fanahy Masina, dia ny fiarovany antsika mpianany, manoloana ireo fanenjehana tsy maintsy ho sedraina, manan-toky izay manara-dia an’i Kristy ka tsy ho lavo.

Nambaran’i Kristy ny mpianany fa mahery lavitra noho ny fetra sy ny herintsika ny Fanahiny, lehibe noho ny tahotra sy tebiteby mpahazo antsika ary manohana sy manampy antsika hihavao lalandava. Koa meteza hanomboka ny fiainana vaovao, araka izay hitarihan’ny Fanahy Masina, mba hasambatra antsika sy hanova izao tontolo izao ho araka an’Andriamanitra.

Jesoa ô, raha ny herin’ny tenanay ihany, dia tsy hahefa na inona na inona izahay, ko iraho ny Fanahy Masina hanova ny fonay, hanilo ny sainay, hanome hery anay. Dia hihalavorary izahay ary koa hitondra fihavaozana ho an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...