Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.

Nahatratra 7,5 Richter ny herin'io fihetsehan'ny tany io ary nahare izany avokoa hatrany amin'ny 700km manodidina ny foibeny. Olona 6 hatramin'izao no voalaza ho namoy ny ainy ary maro ny fahasimbana tamin'ny fotodrafitrasa samihafa ka isan'ny niharan'izany ny fiangonana. Isan'ny firenena efa notsidihan'i Papa François tamin'ny volana febroary 2016 moa i Mexique. Efa foana ankehitriny ny fampitandremana tamin'ny mety ho nisian'ny "tsunami" taorian'io horohorontany tany atsimon'i Mexique io. Matetika hitrangan'ny horohorontany io firenena io. Nanomboka ny taona 1985 no mankaty dia efa maherin'ny iray alina ireo olona namoy ny ainy vokatr'izany tany Mexique. Nahery indrindra tamin'izany ny horohorontany nitranga tamin'ny 13 septambra 2017, niteraka fahasimban-javatra maro ary nahafatesana olona niisa 360 sy naharatrana 6.000 hafa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...