Mpitsindroka tapa-by no asan'i Ranto sy Menja izay tena mpianamana tokoa. Raha ilay nitady tapa-by teo amina trano rava iny indrindra izay roalahy dia nahita diary kely i Ranto. Rehefa novakian'izy roalahy ny tao anatin'ilay diary dia nahalalany tantara " Zanaka mpivaro-tena i Lanja sy i Tendry, nampijalian-dreniny izy ireo ary efa saika hamidiny ka nitsoaka tany anaty ala". Nifanojo tamin'ny Reboza i Lanja rehetra nikaroka an'i Tendry zandriny, ary natsangan'io lehilahy io ho zanany... 

Mpifankatia i Aro sy i Realy nanana olana ara-pitiavana noho ny fifandraisana tamin'i Vola. Nandratra an'i Realy ireo fifaneraserana nisy taminy sy i Aro, nanery ny fony sy ny tenany hanalavitra an'i Aro i Realy. Nisara-toerana i Realy sy i Nandrianina zandri-vaviny, satria te hanalavitra an'i Aro i Realy. Efa nisy fifanarahana vita, taloha, eto amin'ny ray aman-drenin'i Aro sy Vola fa haroso amin'ny fanambadiana ireto zanany rehefa tonga amin'ny taona sahaza azy ireo... 

Mpanoratra tononkalo miavaka kely i Nofy. Nahaliana tanteraka an'i Rado ny tononkalo nosoratan'i Nofy, ary ilay amboara tononkalo mirakitra ilay hoe "Hatsarana miafina" no tena nasarika azy. Rehefa nifanazava ny fahazoana ny voarakitra tao anaty asa-soratra izy roa dia nanao ireto fanamarihana ireto hoe : miresaka ny fahorian'ny mpanoratra ilay tononkalo, fitaovana afahan'ny mpamaky sy mpanoratra mitafa, andinin-tsoratra mampitraka raha sendra ady sarotra... 

i Miandra dia isan'ireo zaza tsy niaina tao anatin'ny fahantrana sy ny fiafiana, teo am-pamakiana boky vitsivitsy izy indray andro noho ny efa lehibe, ireo no nisarika ny sainy sy ny fony handinika ny fiainana efa niainany. Rehefa hijanona tsy hamaky ireo boky izy no nisy takelaka hitany latsaka tamin'ny tany, nahitany tononkalo mitondra ny loha-teny hoe "Fangarom-piainana". Io tononkalo io dia mirakitra hevitra hoe ny fiainana dia misy fifaliana, misy fahoriana sy ny toloko... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...