Misedra olana ny tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo anatin'ny faritry ny kaominina Antaniditra sy ny Kaominina Analasoa ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Mangataka ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha ireo ny Pretra sy ny mpikamban'ny Birao mpandrindra ny Justice et Paix ao amin'ny Distrika misionera Amboasary-Gara, Diôsezy Moramanga...

Nambolen'ny fikambanana tsy miankina iray zana-kazo ny tanimbolin'ireo tantsaha an-jatony ao amin'ny Fokontany Ambilombe ao Antaniditra. Nambolena avokoa ny tanimboly rehetra na ny misy fambolena na ny tsy misy, ary tsy nilazàna akory izy ireo. Novolena zana-kazo toa izany koa ny tao Andranokely ary mbola hambolena zana-kazo toa izany koa ny tanimboly hatrany Antsapandrano Fokontany Antanifotsy ao Analasoa.

Efa amam-polon-taonan'ny maro nefa ireo tantsaha ireo no nanajary ny tanim-boly ary mamelona vahoaka an'arivony hoy ny mpandrindra ny Justice et Paix, Distrika Amboasary hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu. Noho ny tombontsoan'ny mponina ao amin'ireo Kaominina roa ireo no anton'ny fangatahana araka ny fanazavany.

Nanoratra taratasy ho an'ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy mampahafantatra ny manjoa ny tantsaha sy milaza ny hetahetan'izy ireo ny Justice et Paix, Distrika Amboasary-Gara.

 

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...