♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ireo olona mijaly noho ny harerahan-tsaina ny Papa François, mandritra ity volana novambra ity... ♦ Seminarista 51 avy amin'ny diosezy 13 no natokana ho mpamaky teny sy mpanotorna teny amin'ny Théologat Faliarivo, ny 31 oktobra 2021... ♦ Nanatanteraka ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny diôsezin'Ambanja ny 22 ka hatramin'ny 30 oktobra 2021, ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana...
17 taona katroka androany ny fandaharana "Hirika". Fandaharana nivoizana ireo hevitra sy vaovao momba ny fampandrosoana tamin'ny lafiny maro indrindra ho an'ny teny amin'ny tontolo ambanivohitra...
Ny fanajàna ny aina no mametraka ny fahamendrehan'ny olona araka ny noharian'Andriamanitra azy. Manoloana ireo endrika maro samihafa mivohy ny tsy fanajàna ny aina, dia ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana indrindra ny tanora. Ilaina ihany koa ny fiainana sy fitiavana marina eo anivon'ny fianakaviana...
"Ianareo no mpanorina ny ho avinareo ao anaty fahasahiana" hoy ny Papa tamin'ny tanora. Ny tanora sahy dia afaka manilika ny fisalasalàna, ny ahiahy, sy ny tahotra, ary miara-miasa amin'ny mpanabe sy ny tanora namany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco