Alahady 27 jona 2021 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43
Fanamby ho an'ny Radio Don Bosco, hatramin'ny nisiany tamin'ny 1996, ny hiara-dia amin'ny olona amin'ny toerana rehetra misy azy. Onjam-peo naorin'ny salezianin'i Don Bosco, manana tanjona ny hitory ny Vaovao mahafaly sy hanabe ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora.
Nisedra olana mafimafy indray ny mpamokatra ronono nandritra ny fikatonan'ny faritra samihafa tamin'ity taona ity noho ny fampiharana ny fepetra tsy iparitahan'ny valan'aretina. Manomboka mivaha kosa izany amin'izao fotoana isokafan'ny faritra izao...
Miankina betsaka amin'ny fanabeazana avy amin'ny ray aman-dreny no manefy ny fifandraisana eo amin'ny zanaka "izy samy izy" ka izay azony "soatoavina" ny ho aviny. Mba isorohana ny ady lova sy ny disadisa dia tefena isan'andro ny "fifankahazoana anaty, fahamarinana, fifanajana, soatoavina". Mipetraka ho ray aman-dreny : mitia sy miahy ny zanaka hatrany ireo lehibe sy ny zoky. Mifanaja anaty fahasamihafana kosa ny samy zanaka. Omena sehatra hitady vahaolana ny samy zanaka, ary mijanona ho "mpanamora ny fifanakalozan-kevitra ny lehibe fa tsy miandany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco