«Olon’ny fanantenana sy ny hafaliana ny Relijiozy. Mila mijoro ho fanasina mandrakariva ianareo”, hoy Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin’ireo relijiozy teto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo tonga nirary soa azy ireo ny sabotsy 28 desambra 2019 tao amin’ny Sekoly Maria Manjaka, tantanin’ny Fikambanan’ny Masera Saint Joseph de Cluny.

Zava-dehibe izany, indrindra manoloana ny tontolo sy vaninandro diavintsika izao satria maro ny olona no manaotao foana, indrindra ny tanora. Mpiara-miasa amin’ny eveka ny relijiozy amin’ny asam-pamonjena. Ilaina ny hirotsahan’ny Relijiozy tsy mihiboka amin’ny asam-pamonjena eo ambany fitarihan’ny eveka. Ireo sasany anisan’ny fikambanana, na lahy na vavy, dia tena anatin’ny fianakaviamben’ny diôsezy koa ary sarobidy tokoa ny fanampiana omen’izy ireo ny eveka (Sori-dalana momba ny Adidy maha-Mpiandry ondry ny Eveka ao amin’ny Fiangonana « Christus Dominus », n° 34). Ny eveka no Raiamandreny iombonana eo amin’ny diôsezy iray. Ary miara-miasa aminy akaiky koa, ny eveka mpanampy raha misy, sy ny vikera jeneraly. Ho an’ny diôsezin’Antananarivo manokana, dia ahitana ireo sokajy telo ireo : Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan’Antananarivo ; i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, eveka mpanampy azy ; ary i mompera Ludovic Rabenatoandro, Vikera Jeneraly.

Miara-miasa akaiky amin'ny eveka eto amin'ny Diosezin'Antananarivo ny relijiozy

Raha eo amin’ny lafiny ara-pastôraly no jerena dia hita taratra fa mifanome tànana sy miara-misalahy amin’ny mpiandry ondry tokoa ny Relijiozy eto amin’ny Diosezin’Antananarivo. Mivombona ao amin’ny UDRA « Union Diocésaine des Religieux et Religieuses d’Antananarivo ». Miisa 255 ankohonam-piainan-dRelijiozy raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2018-2019. Tsapa fa manatanteraka ny iraka sy asam-pamonjena nankinin’i Jesoa Kristy aminy izy ireo eo anivon’ny diôsezy. Tsy vitan’ny miasa araka ny fanomezam-pahasoavana nomena ny fikambanana tsirairay avy ireo relijiozy maro be eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo ireo, fa tena miombona ihany koa amin’ny maha-olom-boatokana hanara-dia an’i Jesoa Kristy akaiky kokoa.

Misy fikambanana mpandrindra na antsoina hoe birao mpitantanaio fiombonan’ny relijiozy io, ka mandritra ny telo taona ny faharetan’ny fitantanana. Nanomboka tamin’ny taona pastôraly 2019-2020 hatramin’ny taona 2021-2022 ka ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco no filoha, Maseran’ny Filles de la charité no filoha lefitra, Maseran’ny Servantes de la Visitation sy ny Fikambanan’ny Redemptoristes no mpitantsoratra ; Maseran’ny Fransciscaines Missionaires de Notre Dame sy ny Maseran’ny Sainte Thérèse d’Avesnes no mpitam-bola.

Fomba fanao ny UDRA ny fifampiarahabana sy ny fifampirariana soa rehefa tono-taona toy izao. Eo ihany koa ny fiarahabana ireo raiamandreny ka natomboka tamin’ny alalan’ny Sorona masina notarihin’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan’Antananarivo, notronin’i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy azy sy i mompera Ludovic, Vikera Jeneraly, ary ireo pretra maro avy amin’ny fikambanana samihafa.

Nankalazaina tamin'io ihany koa ny tsingeri-taona nanamasina ho pretra an'i Mgr Odon M. A. Razanakolona

Nasongadin’i Mgr Odon nandritra ny toriteniny maha-sarobidy ny fiainana maha-Relijiozy : « Olon’ny fanantenana sy ny hafaliana ianareo Relijiozy ». Mila mijoro ho fanasina mandrakariva, hoy izy, indrindra manoloana ny tontolo sy vaninandro diavintsika izao satria maro ny olona no manaotao foana, indrindra ny tanora.

Nambarany ihany koa fa miraki-pahatsiarovana ho azy ny ity daty ity satria ny 28 desambra 1975 no nanamasinana azy ho pretran’i Jesoa Kristy. Mangata-bavaka ho izy mba hambinin’Andriamanitra hatrany izy amin’ny adidy masina iantsorohany, sy mba ho tratry ny 45 taona maha-pretra amin’ny taona ho avy.

Firarian-tsoa ho an''ny raiaman-dreny

Taorian’ny Sorona masina ny fifampirariana soa sy fifampizarana ny hafaliana araka izay efa nomanin’ny fikambanana tsirairay avy, nialohavana ny fanolorona ny solom-bodiakohon’ireo raiamandreny : Mgr Odon, Arsevekan’Antananarivo, i Mgr Jean Pascal, Eveka mpanampy, i P. Ludovic, Vikera jeneraly, i P. Jean Romain, Aomônie ny Relijiozy eto amin’ny diôsezy ary i P. Richard, Aomônie faharoa. Nitondra tenin’ireo relijiozy i P. Mamy Augustin Raheriarisoa, sdb, filohan’ny UDRA amin’izao fotoana izao. Nanafana ny lanona ny masera “junioristes” sy ireo tovovavy eo an-dalam-piofanana.

Isaorana an’Andriamitra fa noho ny fahasoavany nahatontosa iny lanonana iny. Ny irariana dia ny hahatanterahan’ilay vavak’i Jesoa hoe « Mba ho iray anie izy rehetra » (Joany 17, 21). Hiombona sy hifankatia anie ny relijiozy eto amin’ity Arsidiôsezin’Antananarivo ity.

Mompera Mamy, SDB

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...