Manentana ny kristianina rehetra ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny alahady 12 janoary 2020, mba hifarimbona amin'ny fampivoarana ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny Seminera zandriny Ambohipo, amin'ny mandritra ny fiomanana ny fankalazana faha-zato taona.

Nandritra ny fankalazana ny Fianakaviana Masina, mpiaro ny Seminera zandriny, no nanamabarana fa nisokatra tamin'ny 12 janoary 2020 ny taona fiomanana amin'ny taon-jobily faha-zato ity toeram-piofanana ho pretra ity. Nankasitraka ny fanohanana efa vitan'ny kristianina nandritra izay zato taona izay i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, ary mbola manentana ihany koa ny amin'ny fifanampianana hampivoarana tsaratsara kokoa ity toeram-panabeazana ity na eo amin'ny foto-drafitrasa izany , na eo amin'ny fanabeazana sy ny famolavolana ireo mpiofana. Indro àry ny tari-dalana natolony ho an'ny kristianina sy ny tsara sitra-po rehetra hiatrehana izany fanomanana ny faha-zato taona ny Seminera zandriny Ambohipo izany:

Isika mianakavy tafavory eto, Pretra, Relijiozy, lahika

Isika rehetra tsara sitrapo

Ry kristianina Havana

Nifandimby teny ny andro, ny volana ary ny taona dia indro ankehitriny fa ho feno zato taona amin’ny taona hoavy io ny Seminera Zandriny eto Ambohipo. H        ankalaza Taon-jato iray ity semineran’ny Diosezy ity noho izany. Jobilim-pahasoavana, ary indrindra fetin’ny finoana izany.

Noho izany ity taona iray mialoha io fankalazana lehibe io dia ataontsika ho taona fiomanana hiatrehana izany. Isika izao no vavolombelon’io taom-pahasoavana manokana io. Ny Seminera amin’ny maha seham-panabeazana azy no feno zato taona fa ny trano amin’ny maha toeram-panabeazana azy kosa dia efa mihoatra lavitra izany satria tokoa mantsy dia teto ny sekoly “Saint Michel “no nanomboka voalohany.

Fanontaniana napetrak’ireo sokajin’olona samihafa (vahoaka, poblikana, miaramila) tamin’ i Joany fony izy nanao Batemy teo Jordany no indro apetrakako amintsika vahoaka kristianina hoenti-manomana miaraka io Jobily lehibe io: Inona àry no ataonay” (Lioka 4, 10; 12), “Ary izahay kosa, “inona no mba tokony ataonay?” (4, 14). Ny tsirairay ary isika miaraka no manana havaly io fanontaniana io, ka hirotsaka handray andraikitra araka ny maha izy antsika sy ny fahafahantsika avy.

Maro ireo olona niofana, nanabe, sy tsy nikely soroka amin’ny fanohanana ny Seminera. Niezaka sy nifofotra ho famelomana ny Seminera. Mbola io izy ankehitriny noho ny ezaky ny tsirairay sy ny ambaratongany avy eto amin’ity Diosezy ity. Isaorana antsika mianakavy izany. Iaraha-mahalala ny fahasarotan’ny fiainana nefa milaza miara-mahita aho ary vavolombelon’izany ianareo mpanabe fa vao maika aza tena miredareda fatratra ao aminareo kristianina ny fisahanana manokana ny fiainan’ny Seminera ka mamy alain’ny molotra ianareo tonga manampy sy mifanotrona, tsy atoro na ampianarina intsony ny mety atao ka manampy hankalalahana sy am-pitiavana ny Seminera ho fanehoam-pinoana. Misaotra indrindra anareo.

Araka izany dia ho mora ho antsika ny mamaly io fanontaniana fototra io hoe : “Inona àry no ataonay”. Mitaky fahavonana ny valinteny omentsika ka ilazantsika ankasahina hoe : “Inty aho” (Eksaody 3, 4), izay teny manentana ny Seminera Zandriny mandritra ity taom-piofanana ity. Isika milaza hoe “inty aho” dia manambara ny fisiantsika; fisiana izay endrik’Andriamanitra hitoviantsika aminy. Ndeha àry haneho io fisiantsika io isika mianakavy. Ny fanomanana ety ivelany izay efa zary aina ho anareo, toy ny fanohanana, fanatsarana ny tanàna sy ny hafa rehetra dia adidy himasoana izany satria ny Jobily dia fanehoana sy firosoana. Fa ny hanangaiko anareo ho fanampin’izany dia valim-panontaniana iray hiarahantsika manatanteraka manoloana ny valiny maro mbola ho entinareo. Hoy aho aho hoe: “Ndeha isika hiara-midinika momba ny fanabeazana isan’ambaratonga omena ety amin’ny Seminera”. Hiarahantsika misalahy ny fanabeazana mba hananantsika pretra araka ny sitrapo sy ny kinasan’i Kristy izay miantso sy mifidy azy ireny. Ka ny vokatr’izany fiaraha-midinika izany dia hanatevenana ny efa endrim-panabeazana nampiharina nandritra ny zato taona efa lasa. Pretra manao ahoana moa no andrasanareo vahoaka kristianina ankehitriny? ahoana ny fomba entina hanatanterahana ireny hetaheta tsaranareo ireny? Misy dingana arahina hanatotosantsika izany. Koa miangavy anareo mpanabe eto amin’ny Seminera zandriny àry aho hifandinika amin’ny votoatin’ity hetaheta ity, hamolavola ny fanontaniana alefa hovalian’ny any amin’ny isam-piangonana sy distrika, ny fikambanana masina sy ny Vaomieran’asa any. Ho entina amin’ny fivorian’ny filan-kevitry ny pretra izany (conseil présbytéral), ampahafantarina ny pretra amin’ny fotoam-pivoriany, hodinihintsika miaraka ao amin’ny Filankevitra Fitantanana ny vahoakan’Andriamanitra. Ary avelatra ny fomba fijery ka hisy ho fihaonan’ny isan’ambaratonga, ny mpanabe rehetra any amin’ny seminara aivo, sy seminera zokiny, hanasàna ny mpiandraikitra ny seminarista (correspondants diocésains) isaky ny Diosezy ato amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo. Tari-dalàna ihany aloha izao arosoko izao fa manatevina azy isika araka izay handrosoan’ny fifampidinihana isan-tsokajiny avy.

Eo ny fahazato taona, antony hikarakarantsika izao dinidinika izao, fa indrindra ihany koa dia tsy maintsy tandrovina mafy ny fanabeazana. Raha tena tiana tokoa mantsy ny hisian’ny fampivoarana marina amin’ny lafiny maha olona manontolo dia ny fanabeazana no tsy maintsy atao mari-pototra.

Ndeha àry hifanome tànana, hiatrika izao taona iray fiomanana hoan’ny fahazato taonan’ ity seminerantsika ity.

Homba antsika hatrany Andriamanitra.

Natao teto Ambohipo, 12 janoary 2020,

Fankalazana ny Batemin’ny Tompo

 

Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA

Arsevekan’Antananarivo

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...