Tontosa tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux Ivato ny Kongresy faha efatry ny Salezianina Koperatera eto Madagasikara sy ao amin'ny Nosy Maorisy, ny 29 oktobra hatramin'ny 03 novambra 2019 lasa teo.

Nandrasana ny fahatongavan-dry zareo avy ao Maorisy tamin'ity Kongresy ity saingy tamin'ny ora farany dia nisy tsy fahafahan'izy ireo, noho izany dia ny conseil local avy any Bemaneviky, Toliara, Mahajanga, Fianarantsoa, Betafo, Ivato ary ny mpikambana tao Ivato niampy solon-tenan'ny aspirant iray tao Manazary no namonjy izany, izay miisa 54.

 Nanao ny fampahafantarana ny Salezianina Koperatera eto amin'izao tontolo izao sy ny eto Madagasikara i Masera Valérine, Mompera Innocent, Lalasy ary Lova. Natao ny sabotsy tolakandro kosa ny fifidianana izay ho Filan-kevitra Provinsialin'ny Salezianina Koperatera eto Madagasikara sy ao amin'ny Nosy Maorisy. Fifidianana izay natrehin'ny Mompera Provincial, P. Randimbisoa Charles Armand. Andriamatoa Tomara Clarence, antsoina hoe: Lalasy, izay efa nitantana ity Filan-kevitra ity hatrany no lany ho mpandrindra Provinsialy. Razanakolona Liva, Ralaiariliva Lova Maurice, Olga, Domoinafanjalalao Anna Antoinette kosa no voafidy ho filan-kevitra Provinsialy. Marihina fa mandritra ny telo taona no hitantanan'izy ireo.

Ny alahady 03 novambra 2019 dia nisy ny fivahinianana masina natao teny Ambiatibe. Natomboka tamin'ny lalan'ny Hazofijaliana, niarahana nivavaka tamin'i Md Jacques Berthieu. Narahina sakafo antoandro, jery todiky ny Kongresy ary nofaranana tamin'ny Lamesa izay notarihin'i Mompera Innocent izay Délégué Provinsialy. Nifarana teo ny Kongresy, nody ny harivan'io ihany ry zareo avy any Mahajanga, ny sisa kosa ny alatsinainy no nitodi-doha niverina nody.

Hery lehibe ho an'ny fikambanana ny fahavitan'ny fifidianana sy ny Kongresy, noho izany adidy maro no miandry ireto Filan-kevitra vaovao ireto.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...