Eo am-pikarakarana ny mariaziny i Njato sy Miangola, ary efa voazara ny fanasana ho an'ireo nasaina, iray volana mialoha. Diary sy Njato dia mpinamana akaiky ary niara-niaina tao Antsirabe ; nahavita fianarana tany Antananarivo i Diary ary nitady asa tao amin'ny Njato. Nisy boky fandalinana "Magie Noire" novakian'i Njato sy Diary tamin'ny mbola mpianatra teny amin'ny Lycée. Andriamatoa Fidy no ray niteraka an'i Diary, raha mbola teo am-piresahana izy mianaka dia naharay antso fa tra-doza i Njato.

Maty vao tsy ela ny renin'i Fitia, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra. Nihidram-bola tany amin'Ingahy Robert ny fianakaviny niatrehana ny fitsaboana ary very hevitra izy mianaka mba hamerenana izany. Nanapa-kevitra ny tsy hanohy ny fianarany i Fitia fa hanampy ny rainy. Niasa tao amin'i Ramatoa Vola, nanao ny asa fanadiovana sy fakana rano ary ny fanasan-damba. 

Naly sy Tefy ary Bakoly dia mpinamana tsy mifankafoy. Tefy sy Bakoly dia mifankatia anefa noraran'i Rain'i Bakoly ary nibedesany an'izy roa mafy, niafara amin'ny fikampohan'ny rainy an'i Bakoly. Sarindra sy Fanja dia mpinamana ihany koa ary misedra olana tahaka an'i Tefy sy Bakoly. Raiki-pitia tamin'i Fanja i Tefy ary niezaka nitady hevitra rehetra hampivelarana ny fifankatiavany.

Mpinamana niara-nianatra tany Antananarivo i Tovo sy Dera ary Seheno, nampan-kevitra ny hiala sasatra any amin'ny toerana niavian'i Dera izay misy ny ray aman-dreniny. I Dera sy Seheno dia mpifankatia ary manana fikasàna ny hivady. Noraisin'ny ray niteraka an'i Dera tamin'ny hafaliana izy telo mianadahy. Nisaram-panambadiana i Tovo, naneho fahavononana hanampy azy amin'ny fitadiavam-bola hivelomana ny rain'i Dera, ary nanampy azy koa ity farany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...