Fianakaviana sahirana iray nanana fikirizana tamin'ny fampianaran-janaka no nisy an'i Ranjato mivady. Nanao ny ezaka rehetra ingahy Ranjato sy Ranoro mba handefasana ny zanany vavy hianatra any andafy. Nahazo "mention très bien" tamin'ny fanadinana nataony i Rindra ka isan'ny nanamora ny fandehanany hianatra any ivelany. Rindra dia tovovavy tia fianarana saingy mifanohitra amin'izay i Vaniah, zandriny. Tonga ny fotoana niaingan'i Rindra ho an'ny ivelany ary nanatitra azy teny amin'ny seranam-piaramanidina ny ray aman-dreniny, nifampahery izy telo mianaka fa hotratra ny tanjona hasoa ny fianakaviana... 

Tantara niainan'i Ramose Toky, voairaka hiasa hampianatra, tao amin'ny tanàna atao hoe Amberivatry. I Ravo dia isan'ireo mpampianatra ao Amberivatry, izay tonga nanatitra fanomezana toy ny akondro sy vomanga ho an'i Ramose Toky. Dadabe Ramaro izay lehiben'ny Fokontany teo aloha no tompon'ny trano hipetrahan'i Toky. Nandalo teo alohan'ilay trano misy rihana mitokana kely i Toky indray hariva ary nisy niantso avy ao amin'ilay trano... 

Mpitsindroka tapa-by no asan'i Ranto sy Menja izay tena mpianamana tokoa. Raha ilay nitady tapa-by teo amina trano rava iny indrindra izay roalahy dia nahita diary kely i Ranto. Rehefa novakian'izy roalahy ny tao anatin'ilay diary dia nahalalany tantara " Zanaka mpivaro-tena i Lanja sy i Tendry, nampijalian-dreniny izy ireo ary efa saika hamidiny ka nitsoaka tany anaty ala". Nifanojo tamin'ny Reboza i Lanja rehetra nikaroka an'i Tendry zandriny, ary natsangan'io lehilahy io ho zanany... 

Mpifankatia i Aro sy i Realy nanana olana ara-pitiavana noho ny fifandraisana tamin'i Vola. Nandratra an'i Realy ireo fifaneraserana nisy taminy sy i Aro, nanery ny fony sy ny tenany hanalavitra an'i Aro i Realy. Nisara-toerana i Realy sy i Nandrianina zandri-vaviny, satria te hanalavitra an'i Aro i Realy. Efa nisy fifanarahana vita, taloha, eto amin'ny ray aman-drenin'i Aro sy Vola fa haroso amin'ny fanambadiana ireto zanany rehefa tonga amin'ny taona sahaza azy ireo... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...