Nanampy an'i Tsiky hanadino ny fitiavany an'i Faly ny fisian'i Toky eo amin'ny fiainany na dia tsy mampandrimandry ny sainy loatra aza ny fomba fitadiavany vola hivelomana, sy ny fiarahany amin'i Njaka mpiara-miasa aminy. Nekeny tsy sazoka sy tsy niasany saina fotsiny izany.

Nofinofy tsy tanteraka ilay fitia vao nitsimoka dia toa nandrobona sahady niainan'ny mpanoratra sy ilay tovovavy misalotra ny anarana hoe : Claire. Nifarana sahady satria fitiavana voarara tsy azo tanterahana. Tovovavy fofombadin'ny sakaizany ihany ity nahasafononoka vetivety ny fahasambarany. Nifamarafara izy roa fa samy hanatanteraka ny nifanekena : ny mpanoratra ho tia ny vady andefimandriny, ilay tovovavy hanaiky fa hanambady an'i Randria sakaizan'ity olon-tiany tao anatin'ny fotoana voafetra.

Neken'i Tsiky ihany ny hifankatia amin'i Toky. Na izy aza nefa gaga tamin'izany fihetsiny izany. Tafara-dàlana tamin'i Faly i Tsiky ka nateriny tany am-piasana, amin'ny maha mpiara-miasa an'i Tsiky sy Rebeca dia tonga tany amin'i Rebeca ny tatitra, vokatr'izany : nanomboka nikorontana ny sain'i Rebeca.

Very dia tamin'ny fifanenana tamin'ilay tovovavy tsy fantany anarana nefa notiaviny sy tia azy avy hatrany ny mpanoratra. Satria dia ny androatokon'ny dia nataon'izy mianaka, dia saika lany tamin'ny fifamotoanana tamin'ilay tovovavy. Ary samy toa resy lahatra avy hatrany izy ireo fa misy ny fitiavana maharesy fahafatesana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...