Alakamisy 19 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44 — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

0 : 00

Rehefa mby akaiky ka nahita an'i Jerosalema i Jesoa dia nitomany, nalahelo, nampiseho ny maha olombelona azy, satria mba nanao izay ho afany Izy hampibebaka ny mponin'i Jerosalema, nefa tsy nihaino azy izy ireo. I Jerosalema mantsy dia nirina mba ho tananan'ny fiadanana araka ny voalazan'ny mpanao Salamo, izay hita ao amin'ny Salamo faha-122, nefa tsy tanteraka aminy izany. Indraindray tokoa , mety misy teny na fihetsika ataontsika, mampalahelo na mampitomany an'i Kristy mihitsy aza, eny andalam-piainantsika eny, indrindra moa raha tsy mihiano na tsy miraharaha ny teniny isika. Manao izay hahasambatra antsika mandrakariva anefa Izy, fa isika no saro-tiavina toa an'i Jerosalema. Koa mba diniho sy alalino àry, ny voalazan'i Masindahy Lioka eto, ary meteza hankato sy hanaraka an'i Kristy mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...