Zoma 23 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59 — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

0 : 00

Haintsika fantarina ny hoe ho avy ny orana na koa hoe hafana ny andro ka tokony hahay hamantatra ny dikan’ny andro diavintsika isika. Famantaram-pamonjena no tiana hambara amin’izany. Fa izao rehetra izao asa-tanan’Andriamanitra ka nataony hifameno sy hifanampy hahatongavana any aminy. Tsy misy zavaboaary hanipahana an’Andriamanitra izany satria arin-tanany ; fa ny fomba fampiasa azy matetika no mivilana ka mandeha amin’ny tsy izy dia lasa mamotika na manimba. Fanaovana tsinotsinona an’Ilay Mpahary anefa izany. Izay mpanao an’izany aoka hibebaka, fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra hatao raha mibebaka sy miverina aminy isika. Fa izao koa : tsy hoe rehefa raharaham-pinoana dia hafa mihitsy na mananosarotra be na mampiambakavaka na mapiazoazo fa toy ny amin’ny vatana ihany io fa somary mandeha lalindalina kokoa. Tsy azo sarahina mantsy ny vatana sy ny fanahy, raha tsy izany dia maty.

Ankoatra izany, raha mbola ety an-tany fandalovana ety isika dia aoka tsy hanam-pahavalo, na hanangam-pahavalo ka ifanao ankolafiny, ifandrafy, na ifanaratsy, na ifampisoketa, na ifanenjika, na ifanao an-dolom-po, na ifampivindavinda, na ifanondro molotra, na iolonolona, na izahozaho, na irehareha, na ifampiavonavona ka iseho ho mahavita tena, tsy mandraharaha fihavanana fa manakalo izany amin’ny vola na voninahitra na harena. Mazava ny tenin’i Jesoa amintsika teo hoe : “raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo”. Tsy maintsy hiatrika fitsarana mantsy isika raha vao afaka eto amin’ity tany ity. Ny fitsarana any : tsy misy kolikoly na risoriso fa fitiavana sy indra fo. Koa alohan’ny hahatongavana any no tsara mifandrindra fihavanana. Aoka tsy hisy hanan-trosa amintsika afa tsy ny fifankatiavana, hoy i Masindahy Paoly izay. Ny lohalika, hono, henjana raha hiziriziry ka izany no nampivoitra azy hatramin’izao ; fa ny laferana kosa nandefitra ka mandina mandrakariva. Koa aoka ny fiainantsika ho feno fifandeferana ka hamerovero hanitry ny fifankatiavana sady ho mandin’ny fihavanana sy ny fifamelana. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...