Alatsinainy 05 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37 — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

0 : 00

Mpampiana-dalàna no mitsangana hanontany an’i Jesoa eto. Dia hoy ny tenin’Andriamanitra hoe “haka fanahy” an’i Jesoa no anton’ny fanontaniana napetrany satria olona efa mahafehy ny Soratra Masina izany mpanora-dalàna izany, fa tena te haka fanahy fotsiny izy. Izany hoe ny anton’ny fanontaniana tsy hoe tsy fahaizana fa te hitsapatsapa. Koa efa mampianatra antsika sahady hoe tandremo ny toetra tahaka izany : tia mitsapatsapa sy mangaron-dela. Mba tsotra rehefa miresaka fa aza zatra hevitra ambadika. Fa, ny tena tokony hanehoana izany fahatsorana izany dia eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra : tandremo maka fanahy an’Andriamanitra na mitsapatsapa an’Andriamanitra, toy ny miteny hoe : raha tena Andriamanitra ianao ataovy manan-karena be aho, raha tena misy marina ianao, maninona izahay no mijaly tahaka izao ? Mety nitranga angamba izany nandritra ny valanaretina Covid-19 : fa aiza mihitsy ny Tompo e ? Vavaka inona no tsy efa natao e ? Tsy azo atao izany, ny takiana amintsika dia ny fananana fon-janaka mandray Azy ho Ray. Zanany isika, mahalala izay mahasoa antsika Izy.

Fa, tao anatin’izay resak’i Jesoa sy ity mpanora-dalàna ity izay no nanararaotany nanao ireto fampianarana roa ireto. Voalohany, tsy maintsy mitia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo raha te hahazo ny fiainana mandrakizay ; izany hoe tsy amin’ny ampahany na ankaterena fa amin’ny fo manontolo. Ny Papa Fransoa aza dia mamerimberina an’izany amin’ny tanora hoe : “aoka hiraiki-pitia amin’i Jesoa ianareo”. Ny faharoa izay tsy azo avela ihany koa dia hoe : mila manana fo mahay mangoraka, mitsetra ary antra olona, raha te hahazo ny fiainana mandrakizay. Firifiry akory moa amin’izao fotoana izao ny ankizy voatery mijanona amin’ny fianarany ? Dia fanontaniana no apetraka amintsika hoe : sao lahy mba afaka misy manolo-tanana sy mangoraka ihany izy ireny ?

Raha fintinina àry, dia hoe tsy azo atao ny maka fanahy an’Andriamanitra na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainana. Torak’izany koa ny maka fanahy olona. Faharoa, manàna fo mitempo na amin’Andriamanitra na amin’ny mpiara-belona. Fa, raha tsy mitempo amin’Andriamanitra sy ny namana io dia izany no atao hoe areti-mandoza ary fahafatesana aza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...