Alahady 04 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Ry kristianina havana, araka ny henontsika tamin’ny Evanjely teo dia mila vokatra amintsika Andriamanitra. Izany indrindra no antony mahatonga ity fanoharana ity milaza hoe : “nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho an’ny amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny handray ny vokatry ny tanim-boalobony”. Noho izany, ny vatana tomady nomena antsika, ny saina matsilo, ny fanahy maha olona ary ireo fahasoavana maro tsy tambo isaina dia efa nomen’Andriamanitra antsika maimaim-poana, ka tokony ampiasaina hitondra vokatra tsara eo amin’ny fiainana.

Koa, mampianatra antsika àry eto ny tenin’Andriamnitra mba hitandrina, sao ny voa afafin’ny demony ao ampontsika sy ny fiaraha-monina misy antsika indray no mamokatra be. Raha tsorina dia hoe Andriamanitra dia sady mila no miandry vokatra avy amintsika. Ary raha sanatria ka famonoana ny maha olona sy ny maha kristianina no vokatra mba omentsika Azy dia miala nenina amintsika Izy sahala amin’ny nitranga ato amin’ity Evanjely ity manao hoe : “dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy”. Miala nenina amintsika Andriamanitra ! Ry kristianina havana, fotoana àry izao hanomezana vokatra tsara amin’Andriamanitra, toy ny fitandrovana ny aina, ny fanajana tokantrano, ny fanajana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary, ny fampanjakana ny fahamarinana, ny rariny sy ny hitsiny, ny fandraisana andraikitra... Vokatra tsara andrasan’Andriamanitra amintsika izany.

Izay iny, fa ny hamaranantsika ny fifampizarana ny Evanjely dia tsaroana ilay tononkira manao hoe : “raisiko ny anjara manandrify ny fiantsoanao ahy, fa vonona aho hitia hatramin’ny fara-fofonaiko”. Izany no azontsika amintinana ity Evanjely ity. izany hoe rehefa tsy mandray ny anjara fahasoavana nomen’Andriamanitra antsika isika ; tsy mandray ny anjara adidy niantsoana antsika dia tsy hamokatra ary homeny olon-kafa ny anjara fahasoavana tokony ho antsika. Ny tenin’Andriamanitra maneho izany moa dia hoe : “hoesorina aminao ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy”. Ny Jody moa no tena tian’ny tenin’Andriamanitra hambara eto hoe tsy nandray an’i Jesoa ka lasa tany amin’ny firenen-kafa Izy. Fa, misy fampianarana lalina tiana hampitaina amintsika ihany koa hoe : raiso ny anjara manandrify ny fiantsoana anao, fa rehefa tsy raisinao, homena ny hafa. Na ihany koa hoe rehefa tsy hamokatra ianao dia mahita olona hanankinana an’izany foana Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...