Alarobia 23 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 1-6 — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

0 : 00

Lehilahy tso-piaina, tsy dia manam-pahaizana firy ireto antsoin’i Jesoa ho Apôstôly na ho mpianany ireto ; saingy nomeny hery sy fahefana handresy ny Demony, hanasitrana ny aretina ary hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Asan’i Jesoa, iraka ampanaovin’ny Ray Azy ireto asa anirahany ny mpianany ireto : hitory ny Tenin’Andriamanitra ary hanao ny asa fanasitranana ho famonjena ny olona. Entina ilazana izany fa mifampizara asa amin’ny olombelona Izy. Arahina famantarana ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, toy fandroahana ny demony, ny fanasitranana amin’ny aretina, entina ilazana fa tonga eto an-tany io Fanjakan’Andriamanitra io ary mahazo fahatra ao am-pon’ny olona. Rehefa voaroaka ny ratsy rehetra dia hahazo toerana eo amin’ny fiainantsika olombelona Andriamanitra. Afaka manao ny asan’i Jesoa iretsy olona irahiny na dia olona tsotra toy mpanarato, mpamory hetra... satria manana ny herin’Andriamanitra ao anatiny ho mpandresy ahafahan’ny Fanjakan’Andriamanitra miitatra hatraiza hatraiza.

Manaitra koa ny tenin’i Jesoa mba tsy hitondran’izy ireo na inona na inona any amin’izay toerana anirahana azy. Toa milaza fa efa mialoha lalana azy ireo i Jesoa, manomana ny handraisana azy ireo amin’ny toe-po sy toe-panahy vonona handray ny famonjena ao amin’ny tanàna izay hidirany. Feno toky àry ny mpianatra mitory ny Evanjely na amin’ny alalan’ny teny na amin’ny alalan’ny asa. Na izany aza , eo no mety ho tsy fahombiazana hany ka mety hisy tanana tsy vonona handray ny famonjena. Tsy ho tsinin’ny mpianatra izany. Mazava ny tenin’i Jesoa : “Ahintsano ny vovoky ny tongotrareo hiamapngana azy”, izany hoe efa nolalovan’ny famonjena izy, efa nomen’Andriamanitra ny fahasoavany, fa izy mihitsy no tsy vonona ny handray. Misy tokoa ireo hitoriana ny famonjena nefa mandà izany. Mety ho olona akaiky antsika izany : ny ao an-tokantrano, mpiara-miasa, mpiray tanana. Endriky ny tsy fahombiazana amin’ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra io.

Ny Fiangonana àry, amin’ny alalan’ireo irahiny no tonga famantarana ny famonjena an’izao tontolo izao. Isika vita batemy no irahina amin’ny manodidina antsika haneho ilay fiainana maha kristianina, miaina ao anatin’ny fiainana maha kristiana feno hafaliana lalandava ka hahasarika ny hafa fa io no fiainana lavorary raketin’ny Evanjely na ny Vaovao Mahafaly. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...