Alahady 20 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16a — Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Fiainantsika andavan’andro ny mitady vola hivelomana. Tsikaritr’i Jesoa izany fiainantsika mikarama mitady vola hivelomana izany koa indro Izy mitondra fanoharana momba ny fiasana ny tanim-boaloboka, sady entiny mampianatra mba ahatakarana ny momba ny Fanjakan’ny Lanitra. Raha ny fijerintsika olombelona, olona manao ny tsy rariny ity tompon’ny tanim-boaloboka ity, satria nampitoviany avokoa ny karama na ireo vizana sy niharitra ny hain’andro na ny olona taraiky taty aoriana vao niasa. Kanefa diso fijery koa ireto mpiasa niditra tany am-boalohany nanantena hahazo bebe kokoa miohatra amin’ireto niditra farany. Tsy tsapan’izy ireo ny hatsarampon’ilay mpampiasa nanome ny karama mitovy satria izay no nifanarahana.

Eto àry no manasongadina ny foto-kevitra nambara tery ambony manao hoe “Ny fihevitr’Andriamanitra tsy fihevitsika”. Mahalala ny tokony atao Andriamanitra ka tsy tokony isika olombelona no handidy na hanoro Azy amin’izany tokony hataony izany. Vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra ny zavatra rehetra ; manan-karem-pahasoavana Izy ary tsy misy fetra ny fitiavany. Koa tsy anjarantsika àry ny mamaritra na mametra izany fahasoavany izany, izay zarainy ho antsika, zarazarainy araka ny sitrapony sy ny fitiavany. Eny amin’ny fiaraha-monina eny, mety misy hilaza hoe ranona atsy tahian’Andriamanitra ny fiainany, tsy misy mahaory azy ; ny anay ny omaly tsy miova, tsy misy andro mihiratra. Tsy tokony atao kajikajy io fitiavan’Andriamanitra io. Tanjona iray ihany no itodiantsika rehetra dia ny Lanitra ; any no ezahantsika ahatongavana. Dia ny ety an-tany anefa dia efa miezaka, tsy hanjehy ny andro ho lava, fa hanorina ny Fanjakan’ny Lanitra amin’ny fiainana feno fitiava-namana sy fitiavam-bavaka. Mivavaka isika mba hibebahan’ny mpanota ka tsy hisara-mianakavy na ety an-tany na any an-danitra. Adidin’ny Fiangonana no mitarika ny olona rehetra hanatona an’Andriamanitra. Tsy iza moa ny Fiangonana, fa isika rehetra vita batemy ka efa manana ny antoky ny fiainana mandrakizay. Sambatra isika rehefa mahita ny hafa voavonjy toa antsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...