Alarobia 16 septambra 2020 — Herinandro faha-24 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 31-35 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Tsapantsika amin'izay ambaran'i Kristy fa fitsarana ny Farisianina sy ny mpanora-dalana no asehony, noho izy ireo nanao tsinontsinona ny fikasan'Andriamanitra ny aminy sy ny tsy nakatoavan'izy ireo ny batemin'i Joany, indrindra noho ny tsy finoana an'i Kristy. Efa nanao izay vitany i Kristy hampibebahana azy ireo nefa tsy nahoany akory izany, niala nenina i Joany Batista nitory ny batemim-pibebahana, fa tany am-ponja no niafarany. Vokatr'izany rehetra izany, dia manambara i Jesoa fa afa-nenina ny amin'izy ireo Izy : "Nitsoka sodina izahay... nanao hira mampalahelo izahay...".

Toraka izany koa isika izay mandre sy itoriana ny Vaovao Mahafaly, nefa tsy miraika velively, misy aza dia ny manenjika fotsiny no ao am-pony. Mba raiso ary diniho ka ampiharo amin'ny fiainana ihany lahy ny fampianara entin'i Kristy sao "taitra ny olona tsy mba taitra, ka taitra irery vao hamaky takotra". Modely sy fakan-tahaka ho antsika i Masindahy Corneille, papa sy i Masindahy Cyprien, eveka, izay tsaroan'ny Fiangonana anio, amin'ny fankatoavana sy ny fijoroana ho vavolombelon'ny finoana noho i Kristy, koa mahaiza àry manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fiainana maha kristianina anao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...