Alarobia 09 septambra 2020 — Herinandro faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 20-26 — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Rehefa avy nifidy ireo roa ambin’ny folo lahy Apôstôly sy nanome anarana azy ireo i Jesoa amin’ny Evanjely alohan’ity henontsika androany ity dia niverina teo amin’ny vahoaka nampianatra azy ireo ka nitodika tamin’ireto nofidiany. Ireo no niaingan’ny fampianarany satria ireo dia olona tsotra, mahantra ary atao tsinontsinona indraindray. Ny fahasambarana efatra sy ny loza efatra no nampianariny. Izay no fitantaran’i Lioka azy raha toa ka hasambarana valo kosa ny an’i Matio. Ny an’i Matio dia mitodika amin’ireo mahantra am-panahy i Jesoa fa ho an’i Lioka kosa eto dia ireo mpianany mahantra mihitsy no nitodihany. Nitodika tamin’ny andavan’androm-piainan’ny olona i Jesoa. Io no nanehoany ny fahasambarana efatra miandry azy ireo sy ny loza efatra kosa miandry ny mpanan-karena. Ho an’i Matio dia miantso ny olona rehetra na mahantra na manan-karena hanova ny ao am-po sy ny fanahy ; ary ny an’i Lioka kosa miantso ireo karazan’olona ireo hanova ny fomba fiaina sy ny rafitry ny fiaraha-monina hitsinjovana ireo madinika.

Ireo hasambarana efatra antsoin’i Jesoa ho an’ireo mahantra sy madinika ireo dia zava-misy tokoa iainan’ny sarambabem-bahoaka, indrindra any amin’ny tany mahantra toa antsika. Matetika manko dia misy elanelana be loatra eo amin’ny mahantra sy ny manan-karena. Asaian’i Jesoa mibanjina ny fiainantsika isika (fahantrana, hanoanana, fitomaniana, fijaliana…) sy ny an’ny hafa ka tsy hitanondrika manoloana izany fa hitraka sy hibanjina ny ho avy, indrindra hamelona fanantenana fa misy vokany ary misy valiny ny fiaretantsika am-pinoana sy am-pitiavana ireny. Anisan’ny iray lehibe ny Fanjakan’ny lanitra ampanantenainy fa ho azo.

Loza kosa no antsoiny ho an’ny mpanankarena izay tsy mijery ny manodidina azy fa mampanjaka ny fitiavan-tenany. Tsy sanatria akory ny mpanan-karena rehetra dia toy izany avokoa fa misy tokoa any amin’ny fiaraha-monina any dia tena mampalahelo ny fihetsika ataon’ireny olona manan-karena ireny. Mampieritreritra antsika rehetra ary i Jesoa eto. Toy ny voalaza teo dia misy valiny avokoa ny zavatra rehetra ka mba mahaiza isika mibanjina ny ho avy sy ny farany. Fampieritreretana antsika rehetra io fampianaran’i Jesoa io hitondrantsika ny fiainantsika fa tsy ho variana amin’ity fiainantsika eto izao ity. Banjino mandrakariva ny fahasambarana ho avy izay sady maharitra mandrakizay dia ny Fanjakan’ny lanitra.

Sary avy amin'i Fifaliana Joy ao amin'ny Pixabay

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...