Alahady 12 jolay 2020 — Alahady faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-23 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana ; ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.

0 : 00

Iarahanatsika mahalala, sady efa fomba fiasan'i Kristy, rehefa misy hafatra ampitainy amin'ny fampianarana ataony, dia matetika amin'ny fanoharana no anatanterahany an'izany, ny antony dia efa hazavainy amin'ny mpianany eto, satria misy ihany ny "tsiambaratelo" na koa "zavatra tsy takatry ny saina" amin'ny fampianarany ka amin'ny alalan'ny zava-misy azo tsapain-tanana no anoharany an'ireny. "Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany... ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy". Ary ny tena mazava ihany koa dia i Kristy tsy te-hanambara an'Andriamanitra amin'ny fomba hafa afa-tsy amin'ny fanoharana, indrindra amin'ireo Jody tsy nino sy tsy nankato Azy.

Ohariny amin'ny mpamafy voa ny tenany, izay tsy mifidy tany hamafazana, na amoron-dalana, na amin'ny tany be vato sady manify nofo, na amin'ny tany be tsilo, na amin'ny tany lonaka sady tsara... entiny hilazana ireo vahoaka be mitangorona teo aminy. Tsy mifidy olon-ko soavina tokoa Andriamanitra, fa ny tsirairay no samy manana ny fandraisany azy : "Andriamanitra no nanome, fa i Balita no tsy nambinina", hoy ny fitenenana manoloana izany. Ny teniny izay toriany tamin'ireto vahoaka ireto no ohariny amin'ny voa nafafy, misy ny voaray ary misy koa ny mandalo fotsiny arakaraky ny olona nitoriana. Ny voaray dia mandaitra ao am-pon'ny olona ka mamoa be ary iainany, fa ny mandalo fotsiny dia tsy mamokatra satria tsy noaraharahian'ireo namafazana.

"Manan-jina ny teny", hoy ny fisainantsika Malagasy, ary hamafisin'ny fotokevitra omen'ny Fiangonana amin'ity alahady ity izany manao hoe : "Nokendren'Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika ny Teniny". Ny Tenin'Andriamanitra tokoa, miantefa amintsika, saingy isika indraindray no manentsin-tadiny ka tonga toy ny tany karakaina tsy handairany. Raiso àry ny fampianaran'i Kristy tamin'ny mpianany teo mba ho tojo tany lonaka tokoa Izy, hampahavokatra ny Fanjakany ka ho tanteraka ny teniny hoe : "Izay manana no omena, ka hanam-be izy".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...