Sabotsy 11 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33 — Sambatra ianareo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mitohy hatrany ny fameperan’i Jesoa ireo Apôstôly mikasika ny zavatra miandry azy ireo. Mandray fanoharana i Jesoa ka ny Tenany no hanaovany fanoharana amin’ny alalan’ny fifandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ny tena marina dia miankina mandrakariva amin’ny mpampianatra ny mpianatra ary mandray ny fampianarany sy ny toromarika omeny. Mazava ho azy fa tsy ho ambony noho ny mpampianatra mihitsy ny mpianatra. Aoka àry isika mba hahay hihaino sy hankato mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra izay mitondra fampianarana ho antsika ary sekoly manofana antsika amin’ny iraka miandry antsika. Miantso antsika i Jesoa mba hitovy aminy ary mahafaly azy mihitsy raha mitovy aminy isika : mitovy aminy amin’ny fahendrena, mitovy aminy amin’ny hatsaram-panahy, mitovy aminy amin’ny fitiavana, mitovy aminy amin’ny fahamasinana. Antsoina isika araka izany haka tahaka azy satria hoy izy hoe “Ampy ho an’ny mpianatra ny mitovy amin’ny mpampianatra”.

Manaraka izany moa dia hanehoan’i Jesoa fahatokisana lehibe ireto Apôstôly irahiny ireto. Efa voalazantsika teto izany fa matoa maniraka ny mpaniraka dia matoky ilay irahina izy. Fa isika koa tokony hatoky an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny iraka rehetra ampanaoviny antsika. Izay bitsihina ao amin’ny maizina hoy Jesoa dia ambarao eny amin’ny mazava : fahatokisana ireo Apôstôly irahiny izany fa hitory izay rehetra nolazain’i Jesoa taminy izy ireo na aiza na aiza. Aoka anefa isika tsy handiso na hanova ny Tenin’Andriamanitra na ny fahamarinana torintsika, izany hoe aoka ho fampianarana marina ary fijoroana ho vavolombelona marina no ataontsika fa tsy hampianatra diso na hilaza vaovao tsy marina. Zava-misy manko izany amin’izao androntsika izao indrindra moa amin’ity fitaovan-tserasera nomerika efa mandroso be ity. Mila fitandremana tsara izany. Aoka isika hahay hihaino tsara ny bitsik’Andriamanitra miteny amin’ny teniny ary handray tsara ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra vao mampita izany : izany no ilantsika fandalinam-pinoana matetika mba tsy hiteniteny foana.

Anisan’ny fankaherezana lehibe iray ihany koa ao anatin’ity Evanjely ity entin’i Jesoa ho an’ireo irahiny dia ny voalazany hoe “aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy”. In-telo izy mamerina hoe aza matahotra. Midika izany fa manoloana an’izay zavatra mitranga rehetra amin’ny fiainantsika dia eo foana Andriamanitra satria saroby aminy isika. Fantatr’Andriamanitra avokoa ny voahary rehetra nohariany ary tiany sy arovany ary mihoatra lavitra noho ireny ny olombelona ka tiany fatratra ary tahiny mandrakriva. Tsy mandeha irery isika noho izany manatanteraka ny iraka fa eo mandrakariva Andriamanitra. Matokisa Azy, ary miankina aminy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...