Alahady 05 jolay 2020 — Alahady faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mitohy hatrany ny fampianaran’i Jesoa amintsika ny fomba sy ny fihetsika ary ny tokony hataontsika krisitianina izay manara-dia azy. Ny fanatanterahantsika ireny fampianarany ireny manko no hamaritana fa tsy olon’izao tontolo izao isika na dia mitoetra ao amin’izao tontolo izao aza fa antsoina kosa sy irahina ho ao amin’izao tontolo izao mba hanova azy mitovy amintsika. Tamin’ny heriny, ny fampianarany dia anisan’ny nanasongadina hoe “izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika Ahy”. Maro ny fepetra notakiany tamintsika mba hananantsika izany fahamendrehana izany. Mitohy io fampianarana io ho an’ity herinandro faha-14 mandavantaona amin’ny taona “A” ity.

Hamafisin’i Jesoa io filazany amintsika fa ny fitondrantsika ny hazofijaliana io no hahamendrika antsika, ka iangaviany antsika hiombona fijaliana aminy amin’ny alalan’ny fitondrana ny jiogany, ny fanarahana ny fampianarany. Mora entsika ny jiogako, hoy Izy, satria Izy no manampy antsika hitondra izany, ary maivana ny didiko, hoy ihany Izy, satria ny didiny dia ny fitiavana izay andidiany antsika mba iainana. Ny antony dia mba hahitantsika fiadanam-po noho Izy malemy fanahy. Manaporofo ny fitiavany antsika izany sady porofon’ny fitiavan’Andriamanitra ihany koa. Ny tena manam-pitiavana dia manana izay hatsaram-panahy sy halemem-panahy izay manoloana ny fifandraisany amin’ny hafa. Fampianaran’i Jesoa antsika izany mba hanahafantsika izany toetra izany koa.

Fa mialohan’io fiangaviany antsika hitondra ny hazofijaliany io, izay maivana hoy Izy, ary ahitantsika fiadanam-po dia nanao vavaka i Jesoa. Vavaka fisaorana maneho fa ny fahatsoram-po sy ny halemem-panahy no tena zava-dehibe. Izy tenany mihitsy no manome ohatra ho antsika amin’izany. Eto manko tsy midika mihitsy hoe tsy ilaina ny olon-kendry fa mazàna ny hendry eo imasontsika olombelona tsy hendry eo anatrehan’Andriamanitra. Ny ilainy araka io vavaka ataon’i Jesoa io dia ny fananantsika fiainana tsotra eo anatrehany. Izany no mitarika antsika hahalala azy bebe kokoa ampian’ny fampiarana sy ny fitarihany ataon’i Jesoa antsika isan’andro.

Ankino amin’Andriamanitra àry, ary angataho ny fanampian’i Jesoa ireo zava-manahirana antsika rehetra eo amin’ny fiainana ka toy ny enta-mavesatra amintsika fa sady fiarahantsika miombona fijaliana aminy izany no fiarahantsika milanja ny hazofijaliana miaraka aminy ihany koa. Izy no hanome fanamaivanana sy hanala ny fanaintainana aman-tebiteby mahazo antsika, indrindra moa fa hitondra famonjena ho antsika satria tsy misy famonjena raha tsy misy hazofijaliana. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...