Alahady 21 jona 2020 — Alahady faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 26-33 — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Mampatsiahy antsika ity Evanjely ity raha tena mpanara-dia an’i Kristy marina isika, mahatoky tsy mivadika amin’ny maha izy antsika eo anatrehan’izao tontolo izao fa indrindra manoloana an’Andrimanitra. Tsy mora ny miseho ho mpanara-dia an’i Kristy ; tsy anarana entim-poana ny maha-kristianina fa isedrana zava-manahirana maro, eny hatramin’ny fahafoizana ny aina aza. Tenin’i Kristy tamin’ny mpianany : "Raha misy te hanaraka Ahy aoka izy hitondra ny hazofijaliana isan’andro ka hanaraka Ahy". Eo anatrehan’izany koa no ilazany amintsika hoe : "Aza matahotra", in-telo Izy no miteny amin’ny mpianany eto amin’ity Evanjely ity, ary telo ihany koa ny antony tokony hampatoky antsika eo anatrehan’Andriamanitra.

  1. Ny tena mpianatr'i Kristy dia mandray ny tenin’Andriamanitra ho fitsipi-piainany, ka na inona na inona manohitra azy tsy haharesy na oviana na oviana. Amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra no maneho ny sitrapony ; ary i Kristy no nanatanteraka izany voalohany. Koa raha te ho kristianina marina isika dia mandray ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny fanilo ho an’ny tongotra sy fahazavan’ny lalana. Izay miaina azy marina dia ho toy lehilahy hendry nanorina trano teo ambony vatolampy ka tsy hihontsona mandrakizay, ary tsy hatahotra na inona na inona.
  2. Ireo manara-dia an’i Kristy dia hizotra mankamin’izay alehany, ka tsy miantehitra amin’ny asan’ny nofo fa miady amin’ny ara-panahy. Sahy manohitra mba hanjakan’ny rariny sy ny fahamarinana ary ny fitiavana, manaiky an’Andriamanitra ary matoky fa izay noleferiny mba ijoroana ho kristianina dia tsy very maina eo anatrehan’Andriamanitra.
  3. Ny toky omen’i Kristy fa momba antsika hatrany Andriamanitra. “Raha ny fody aza hahian’Andriamanitra mainka fa isika zanany".

Sahia ary isika mijoro ho kristianina marina, hatoky an’Andriamanitra ary handresy ny tahotra. Jesoa ô, haharitra tsy hivadika amin’ny maha kristianina anay anie izahay ; ho sahy miseho ho mpianatrao hatrany ka ho tafita sy hiombona anjara amin’ireo mpianatrao mahatoky efa sambatra ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...