Alahady 07 jona 2020 — Ny Trinite Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-18 — Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

0 : 00

Fianakaviana miaina am-pitiavana lavorary Andriamanitra, hoy ny foto-kevi-dehibe izay omen'ny Fiangonana iainantsika sy ivelomantsika amin'izao Alahadin'ny Trinite Masina izao. Raha vao miteny hoe Trinite Masina isika, dia ireto zavatra roa fanaontsika matetika ireto no mifantsika ao an-dohantsika tsirairay avy : ny voalohany dia ny famantaran'ny Hazofijaliana, izay ataontsika mivantana miaraka amin'ny alalan'ny teny sy amin'ny alalan'ny fihetsika. Ny faharoa, dia ilay fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra Trinite Masina, ilay tononintsika hoe : "Voninahitra anie, ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina".

Ry kristianina havana, ny teny hoe Trinite dia teny tokana entina hilazana ny mistery misy ao amin'Andriamanitra, na koa hoe mistery momba an'Andriamanitra. Izany hoe, zava-misy momba an'Andriamanitra nefa tsy takatry ny saintsika olombelona, ary tsy azo porofoina ara-tsiansa ny fisiany. Ho porofon'izany dia i Masindahy Augustin, anisan'ny olomasaina goavana, mpikaroka, nandinika maharitra ny hoe Trinite Masina, fa niala maina izy, ary vaky vava hoe : "Manam-petra isika olombelona ka tsy hahatakatra velively an'Andriamanitra tsy manam-petra". Ankoatra izay, dia ny harem-pinoana tsy voahozongozona ao amintsika, dia ny fifandraisana misy eo amin'ny Trinite Masina. Eo aloha ny fifandraisana amin'ny maha izy azy, izany hoe ny Ray tsy ho Zanaka, ary ny Zanaka tsy ho Fanahy Masina. Fa eo koa indrindra indrindra ny fifandraisana amin'ny fiombonana vao mainka manamafy izany dia ny hoe raha eo ny Ray dia eo mandrakariva ny Zanaka ary eo mandrakariva ny Fanahy Masina. Profon'izany ohatra ny Batemin'i Jesoa tao Jordany, izay voromailala nanambara ny Fanahy Masina, ny feo avy any an-danitra manambara ny maha eo an'Andriamanitra, ary i Jesoa rahateo, Ilay nandray ny Batemy no Zanaka.

Hamaranana azy dia aoka isika hivavaka amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, sady hanao ny famanataran'ny Hazofijaliana miaraka amin'izany, satria tsy misy tsara noho ny fianakaviana miray aina, tsy misy tonga lafatra noho ny miombom-pitiavana toy ny Trinite Masina. Fa manohitra ny toetra manandrify antsika olombelona ny toetra miolonolona, fa natao ho an'ny fiombonana isika, ary noharian'Andriamanitra isika mba hiara-monina ety an-tany ao amin'ny Trinite Masina. Androany koa dia mitodika manoka amin'ny renim-pianakaviana rehetra, amin'izao fetin'ny reny izao, mba haka tahaka an'i Masina Maria anie izy ireny, ka hotafian'Andriamanitra ny fahasoavana amin'ny maha reny azy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...