Alakamisy 21 mey 2020 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo, ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

0 : 00

Tao Galilea no niantsoan’i Jesoa ireto mpianany ireto hanara-dia Azy, tao koa izy ireo no nahazo iraka avy amin’i Jesoa nitsangan-ko velona, handeha hitory ny Vaovao Mahafaly. Votoatin’ny iraka ampanaoviny azy ireo ny hampianatra ny firenena rehetra ary ny hanao Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ary hitandrina izay nandindian’i Jesoa azy ireo ; tsy inona izany fa ny fifankatiavana sy fiombonana izay endrika ijoroan’ny Fiangonana.

Efa nambaran’i Jesoa teo fa efa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Na mbola teny am-pitoriana ny momba ny Fanjakan’ny Lanitra aza i Jesoa tety an-tany dia efa hita taratra fa efa nifehy izao tontolo izao toy ny nampitonian’ny ny tafio-drivotra, ny nandehanany teny ambony rano, ny nandroahany ny demony, ny nanasitranany ny marary sy ireo fahagagana maro nataony entina manambara fa efa tonga eto an-tany miaraka Aminy io Fanjakan’ny Lanitra io.

Ankehitriny ny Fiangonana dia irahan’i Jesoa hitory ny Vaovao Mahafaly. Tsy iza ny Fiangonana fa isika rehetra vita batemy : ny pretra, ny relijiozy, ny lahika ka samy hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny sehatra rehetra misy antsika. Toy ny tenin’i Jesoa tamin’ny mpinanany tamin’izany andro izany dia indro Izy eo anivontsika mandrakariva ka tsy miasa irery isika eo amin’ny fijoroantsika amin’ny finoana fa homban’ny fahasoavan’Andriamanitra. Noho ny Batemintsika no mahatonga antsika ho iraka hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra hatraiza hatraiza. Io Batemy nananganan’Andriamanitra antsika ho zanany sy ho mpiray lova amin’i Kristy io no manosika antsika hitondra ny hafatr’i Kristy na aiza na aiza misy antsika na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

Antoka ho antsika amin’izany ny niakaran’i Kristy any an-danitra, mamelombelona ny finoana sy ny fanantenana ao anatintsika ao. Feno sy lavorary ny famonjena antsika rehefa tonga iray lova amin’i Kristy any an-danitra isika. Koa ny fiainana any ambony àry no katsaho dia ny any amin’izay misy an’i Kristy araka ny fampianarana nataon’i Masindahy Paoly.

Ny antom-pisiantsika eto an-tany dia ny hanomana ny fiainana mandrakizay ; ny ezaka rehetra ataontsika eto dia fandrafetana ny lanitra ho antsika. Tsy vita moramora anefa izany fa tolona isan’andro, ady amin’ny ratsy rehetra izay mitarika antsika amin’ny fahotana, ady amin’izay rehetra mampisaraka amin’Andriamanitra mitarika antsika amin’ny fakam-panahy tsy hivavaka ary ezaka isan’andro haneho ny fitiava-namana araka ny nampianaran’i Kristy antsika. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...