Alatsinainy 09 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38.
Mankalaza manetriketrika an'i Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, Mpiaro voalohany an'i Madagasikara isika izao. Ny nahatorontoronina an'i Jesoa tao an-kibony ny Evanjely amin'izany.

 

0 : 00

 Noho ny maha alahady ny 08 desambra amin'ity taona ity, nankalazana ny alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo, alahady tsy azo dikaina, dia nafindran'ny Eglizy ho amin'izao alatsinainy izao ny fankalazana an'i Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, na i Masina Maria Imakole, Mpiaro voalohany an'i Madagasikara. Fety tsy azo lalovana fotsiny fa manana anjara toerana lehibe eo amin'ny tantaram-pamonjena. Ka ny Evanjely aroso amin'izany dia ny nahatorontoronina an'i Jesoa tao an-kibon'i Masina Maria tamin'ny fomba magahagaga sy tsy manam-paharoa, fa sady Virjiny izy no Reny.

Adala izay tsy tia ny reniny, koa tonga zanaka tamin'ny batemy isika, adidintsika ny manaja ny Renin'i Jesoa sady tonga Renintsika ihany koa araka ny volazan'i Masindahy Joany ao amin'ny Evanjely, fa natolotr'i Jesoa ho renintsika ihany koa izy teo am-potory ny Hazofijaliana. Ilay madio indrindra no nofidian'i Jesoa ho Reniny, tsy voakasi-pahotana, tsy misy pentina.

Ankoatra izany, niditra tao amin'i Maria ny Anjely ka niarahaba azy. Fa miditra amin'ny fiainantsika koa Andriamanitra, ka mahatonga io fiainantsika io ho amin'ny tsaratsara kokoa hatrany. Tsy manova ny kinasantsika Izy, fa manandratra izany ho amin'ny tsaratsara kokoa. Koa tandremo ny hoe tsy misy idiran'Andriamanitra ny fiainana; tena diso hevitra isika raha misaina toa izany. Fa raha tsy Izy Andriamanitra no miditra, dia iza indray no avelantsika hiditra amin'ny fiainantsika?

Dia mahaiza mandray an'Andriamanitra, avelao Izy hiditra ao amin'io fiainantsika io. Vonona hifampitafa amintsika Izy. Tsarovy lalandava fa rehefa tsy Andriamanitra no manjaka dia i Satana, ny demony. Koa aza omena hirika izany demony izany.

Naka nofo tao an-kibon'i Maria, ilay madio indrindra ilay Zanak'Andriamanitra Lahitokana, nanaiky ho tonga olombelona. Isika koa tonga zandrin'i Jesoa tamin'ny batemy, koa ataovy tonga nofo eo amin'ny fiainantsika koa Izy. Izany hoe atao lasa fiainana mihitsy i Jesoa, ka raha tsy misy azy dia ho lasa poakaty ny fiainantsika araka ny voalazan'i Masindahy Paoly hoe "tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko".

Nanao "eny" tamin'Andriamanitra i Masina Maria, nanaiky tanteraka ny sitrapony, nandray ho zava-dehibe ny nifidianan'Andriamanitra azy, nanetry ny tenany ka tonga Renin'Andriamanitra. Tsarovy koa, fa isaky ny manao kômonio isika, hoy i Masindahy Joany Paoly faharoa, dia manao "eny" toy ny nataon'i Masina Maria. "Eny" amin'Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony. Tena amin'ny fo madio tokoa àry ve no handraisantsika an'i Jesoa amin'izany? sa entim-pahazarana na entim-paharazana fotsiny? Ny sitrapony tokoa ve no tanterahantsika?

Fahatongavan'ny Tompo izao, hanampy antsika bebe kokoa amin'izany ny vavaka ataon'i Masina Maria, fa tsy mamela antsika zanany ho irery izy. Koa amin'ny fiainantsika, farafaharatsiny amin'ity andro ity, hanome voninahitra an'i Masina Maria isika ka hikaly tsara ny fanaovana ny "Arahaba, ry Maria". Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...