21 ôktôbra — Misy Céline roa no tsaroana ny 21 ôktôbra. Teo i Masimbavy Céline de Laon, renin'i Masindahy Rémi. Ary eo koa i Masimbavy Céline de Meaux, virjiny.

Céline de Laon

Nanambady an'i Emilius, comte de Laon, i Céline. Tena tiany sy najainy fatratra io vadiny io, ary niombom-piainana tamin'ny fo feno fitiavana sy finoana izy ireo. Telo mirahalahy ny zanany, ary ny farany tamin'izy ireo dia efa lehibe i Céline vao nanana azy. I Masindahy Rémi, arsevekan'i Reims, io zanany farany io. Nisy mpanirery iray, nipetraka tao an'ala, nilaza tamin'i Céline fa hiteraka zazalahy fanta-daza izy. Toa izao no filazan'izany fanambarana izany : "Mitsimbina ny tany avy any an-danitra, ny Tompo, mba hampiely ny fahagagan'ny heriny ny firenen-drehetra, ary hanompo azy ny mpanjaka. Ho renin'ny zazalahy antsoina hoe Rémi i Céline, ampiasaiko izy mba hanafaka ny oloko". Folo volana tao aorian'io fanambarana io no teraka i Rémi. Natao hoe Remedius na Remigius ny anarany tamin'ny batemy satria hanasitrana ny aretim-piainan'ny maro izy, ary izay no nahazoana ny hoe Rémi. Marihana fa ny zanak'i Céline iray hafa dia eveka tao Soissons, ilay nantsoina hoe Principus, ny zanany faharoa kosa niteraka an'i Lupus, nandimby toerana an'i Principus taty aoriana. Efa antitra be i Céline vao maty, ary nalevina tao Labrinacum Lavergny. Taty aoriana vao nentina tany Laon ny reliques.

Céline de Meaux

I Céline, ilay virjiny indray, dia zanak'andriana niaina tamin'ny taonjato fahadimy. Teraka tao Meaux izy ary nambabo azy ny hatsaram-panahin'i Masimbavy Geneviève. Rehefa nifanena tamin'i Geneviève izy dia naniry ny hiaina ny fahavirijiniana ka nanapa-kevitra ny hanokan-tena ho an'Andriamanitra fa hijanona hiara-mitoetra amin'ny fiaraha-monina ihany anefa. Ny ray aman-drenin'i Céline anefa, efa nanomana vady ho azy. Samy tezitra na ny ray aman-dreniny, na io tovolahy nolazaina fa fofom-badiny io. I Céline tamin'izany efa nisalotra ny akanjo mainty fitondran'ny virjiny sy nanao ny asa fiantrana, ka mba handosirana ny hatezeran'izy ireo dia lasa izy nihery niaraka tamin'i Geneviève tao amin'ny toerana fanaovana batemy tao amin'ny fiangonana Notre Dame. Nisokatra ho azy ireo ny varavarana, ary raha vao tafiditra izy ireo dia nikatona sy nihidy tampoka izany vavahady izany, ary dia nihidy tao izy mirahavavy. Ka tao i Céline, afaka nitandro ny fahavirjiniany mandram-pahafatiny sy nanao asa soa. Voalaza fa ny 25 ôktôbra 530 no nodimandry i Céline ary nalevina tao amin'ny Faubourg Saint-Nicolas.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...