Onena i Jesoa nahita ireo vahoaka

Sabotsy 05 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8 — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa ; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

Tohiny...

19 ôktôbra — Teraka ny 03 janoary 1694 tao Ovada tany Italie i Paul Danei. I Luchino Danei sy i Anna Maria Massari no ray aman-dreniny. Mpivarotra no asan'ny rainy ary enina ambin'ny folo mianadahy izy ireo no naterak'izy mivady. I Paul no zokiny indrindra, ary enina mianadahy izy ireo no velona fa ny sisa dia maty mbola kely avokoa.

0 : 00

Ny taona 1709 ny ray aman-drenin'i Paul no niverina tany an-tanidrazany tany Castellazzo, ary tao izy ireo no nanabe ny zanany. I Paul dia nianatra tao Cremolino ary niaina tao anatin'ny fitiavam-bavaka sy ny hatsaram-panahy. Rehefa avy nanao raharaha miaramila nandritra ny herintaona i Paul dia tapa-kevitra fa hanolo-tena ho an'Andriamanitra, ny taona 1713 io, na dia efa nanomanan'ny dadatoany fanambadiana tsara aza izy. Nanampy an-drainy tamin'ny varotra no nataony, ary nanomboka nampianatra katesizy izy. Somary mafimafy ny fitindran'ilay pretra azy, tao amin'io fiangonana io, nefa rehefa nahatsapa ity pretra ity ny haben'ny hatsaram-panahy sy ny hatsaram-pon'i Paul dia nomeny pretra Capucin, hitantana azy am-panahy. Nifankahalala tamin'ny eveka tao Alexandrie i Paul, Mgr Gattinara, ary io no nilazany ny faniriany hanorina fikamban-drelijiozy. Relijozy hitondra fanamiana, akanjo mainty lava, misy sary fo miaraka amn'ny hazofijliana sy soratra hoe "Jesu Christi Passio". Neken'i Mgr Gattinara ny fitondrany io fanamiana io ka notsofiny rano ny 22 jolay 1720. Ny 23 nôvambra 1720 ka hatramin'ny 01 janoary 1721, izany hoe efapolo andro, dia nisintaka nanao laretirety i Paul araka ny fanomezan-dalan'ny eveka, ka tao amin'ny fiangonana Saint-Charles tao Catellazo Bormida no nanaovana izany, ary tao anatin'ny fihafiana sy fanetren-tena ary fahantrana tanteraka : tsy mikapa, zara raha mitafy sy mihinana.

Nandritra io laretirety io no nanoratran'i Paul ny fitsipiky ny fikambanana izay heveriny haorina ao aoriana ka nankatoavin'i Mgr Gattinara ireo fitsipika ireo. Tao aorian'izay, ny 28 ôktôbra 1721 dia tonga nanara-dia an'i Paul ny zandriny manarakaraka azy dia i Jean-Baptiste izany, ka nandray ny fanamiana sy niara-nanolo-tena taminy. Nantsoin'ny eveka tao Gaète izy mirahalahy ireto ny taona 1723 mba hitory ny Vaovao Mahafaly tany Orbetello sy mpampanao laretirety ireo pretra tao amin'izany diosezy izany. Ny volana aogositra 1724 izy no noraisin'ny eveka tao Troja hiasa tao amin'ny dioseziny. Ny 21 mey 1725, tao amin'ny fiangonana Navicella izy no noraisin'ny papa Benoît XIII, ka nomeny alalana hamory izay ho mpikambana ao amin'izany fikambanana izany, ary roa taona tao aorin'izay, izany hoe ny 07 jona 1727 no nohamasin'io papa io ho pretra izy mirahalahy ireo, tao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre tao Roma. Nitombo tsikelikely ny mpanara-dia azy ireo ka ny taona 1730 dia efa nahatratra fito ireo mpiara-dia taminy. Niasa tao amin'ny paroasy tao Talamone izy. Ny 14 septambra 1737 no nomen'ny papa Clément XII andraikitra ho misionera apôstôlika izy ireo ka hitondra ny anarana "Congrégation des Passionistes". Ny papa Benoît XIV kosa no nankato ny fitsipik'io fikambanana io ny 15 mey 1741. Ary ny 11 jona 1741 no nanao ny voady voalohany i Paul ka nitondra ny anarana hoe Paul de la Croix. Ny 18 aprily 1746 no nivoaka ny Brève pontificale, nilaza ny fankatoavana ny fikambanana. Nandritra izany fotoana rehetra izany, i Paul sy i Jean-Baptiste dia niezaka nanorina ankohonam-piainana tsikelikely, ka anisan'izany ny tao Soriano sy Vetralla,, toerana nahafatesan'i Jean-Baptiste, ny 30 aogositra 1765. Ny 03 mey 1771 no nankatoavin'ny papa Clément XIV ny fanokafana ny fikambanana sampana vehivavy, ary tao Tarquinia no nisy izany ankohonam-piainana izany. Tsy mba afaka nanatrika izany voady voalohan'ny relijiozy vavy tao amin'ity fikambanana ity intsony Paul. Ny 15 jona 1775 izy no nanao Sorona Masina farany ary ny 18 agositra izy no nodimandry, teo amin'ny faha iraika amby valopolo taonany. Nalevina tao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Jean sy Paul tao Roma i Paul de la Croix. Ny papa Pie VI no nanambara fa mendrika hajaina izy ny volana septambra 1784, ary ny papa Pie VII kosa no nanambara ampahibemaso ny hatsaram-panahy lehibe nananany ny 18 febroary 1821. Ny papa Pie IX no nanandratra azy ho olontsambatra ny 01 mey 1853 ary izy ihany no nanambara ho ren-tany, ho ren-danitra fa olomasina i Paul de la Croix ny 29 jona 1867. Marihana fa isan'ny olomasina tena fantatr'i Paul de la Croix nandritra ny fotoana nitokanany monina i Masindahy François de Sales sy i Masindahy Jean de la Croix ary i Masimbavy Thérèse d'Avila. Nanampy azy tamin'izany koa ny asa soratr"i Jean Tauler.