Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany...

Zoma 23 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59 — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Tohiny...

13 ôktôbra — I Alexandrina de Balazar na Alexandrina Maria da Costa no tena anarany, dia teraka ny 30 marsa 1904 tao amin'ny toerana antsoina hoe Gresufes, tao amin'ny tanana kelin'i Balazar, distrikan'i Porto tao amin'ny arsidiôsezin'i Braga ao Portugal. Alarobia masina tamin'izay ary ny sabotsy masina tao aorian'io izy no natao batemy, izany hoe ny 02 aprily 1904.

0 : 00

Taona vitsy tao aorian'izay dia nifindra tao amin'ilay toerana antsoina hoe Calvario tao amin'io tananan'i Balazar io ihany ny fianakaviany. Vao sivy taona monja izy dia efa niasa teny an-tsaha ary nikarama isan'andro. Teo amin'ny faharoa ambin'ny folo taonany no nianjera avy eny ambony hazo izy. Efa nomena ny sakramenta fanosorana ny marary izy tamin'izay ary nihatsara. Notendrena ho katesista izy avy eo, ary mpikambana ihany koa tao amin'ny antoko mpihira. Tsara feo sy tia mozika i Alexandrina.

Tamin'ny taona 1918, efatra ambin'ny folo taona izy tamin'izay no nitrangan-doza nanimba ny fiainany, sabotsy masina tamin'izay. Niditra an-keriny tao amin'ny trano nanjairan'izy sy ny rahavaviny, Olenda sy ny namany iray ny lehilahy telo ka saika hanolana azy ireo ; hany heriny, nitsambikina avy eo am-baravarakely mirefy efatra metatra ny haavony. Tamin'izay no niharam-pahavoazana ny tsokan-damosiny ka nahatonga azy halemy. Tsy nisy fanafana azo natao intsony fa efa lany haiky ny mpitsabo. Na izany aza, niezaka nankany am-piangonana ihany izy, mihisakisaka eny na dia misy manaraby aza. Ary noho ny ezaka nataony dia afaka nanatrika ny Kôngresy Eokaristika natao tao Braga izy ny taona 1924. Tao aorian'izay dia nandamaka tanteraka tao am-pandriana i Alexandrine. Ny zokiny, i Olenda, no nikarakara sy nitsabo azy, niaraka taminy tamin'ny zavatra rehetra nataony, eny fa na hatramin'ny fanoratana aza.

Tamin'ny voalohany dia fanasitranana no nangatahan'i Alexandrina tamin'Andriamanitra, ary nampanantena izy tamin'izany vavaka nataony izany fa hanao misiônera raha mahazo fahasitranana. Farany, nihaiky sy nanaiky ny anjarany izy, ary natolony an'Andriamanitra izany fijaliany izany. Niseho taminy i Jesoa, ary niresaka taminy andro aman'alina. Matetika izy no manontany an'i Jesoa, izay tsy maintsy hataony ka novaliany hoe : "Mijaly, mitia ary mamonjy". Nambarany fa tsy maintsy miaina ny fijaliana izy. Isaky ny zoma, hatramin'ny taona 1942 dia niaina ny fijalian'i Kristy izy, ary tena hita maso izany, araka ny nambaran'ny pretra mpitantana azy am-panahy. Nitombo ihany anefa izany fijaliany izany, satria tsy maintsy nanefa trosa ny reniny ka niaina tao anatin'ny fahantrana izy ireo.

Ny taona 1938, niangavian'ny Tompo i Alexandrina mba hapahafantatra ny sitrapony, dia ny hanankinan'ny papa an'izao tontolo izao ho eo ambany fiarovan'ny Fo Madion'i Maria, raha tsy izany dia hisy ady lehibe, noho ny fahotana, hamotika ny olona. Nanentsi-tadiny anefa ilay pretra nanankinana ny fandefasana ny hafatra tany Roma. Herintaona tao aorian'io izy, nanoratra tamin'ny Kardinaly Pacelli, ka rehefa rehefa voafidy ho papa io, nitondra ny anarana Pie XII, dia nanatanteraka izany hafatra izany, ka tamin'ny 1942 no nanaovany ny fanankinana an'izao tontolo izao tamin'ny Fo Madion'i Maria. Nanomboka teo dia tsy hita maso tety ivelany intsony ireo fery dimy sy ny fijalian'i Kristy izay niainan'i Alexandrina ihany koa. Nanomboka tamin'izany fotoana izany koa dia tsy nisakafo intsony i Alexandrina mandram-pahafatiny, izany hoe nandritra ny telo ambin'ny folo taona. Maro ireo olona tonga namangy azy, ary nisy fotoana aza, noraran'ny eveka mihitsy ireo olona ireo tsy ho ao aminy. Ny 13 ôktôbra 1955 izy no nodimandry, tamin'io fotoana io moa no nahatsiarovana ny nisehoan'i Masina Maria farany tao Fatima. Ny 12 janoary 1996 no nambaran'ny papa Joany Paoly II fa azo hajaina izy ary nambara fa olontsambatra kosa tamin'ny 25 aprily 2004.