12 ôktôbra — Marihana ety am-piandohana aloha fa ny datin'ny 02 ôktôbra no nahafatesan'i mompera Jan Beyzym, izany hoe io no daty nahaterahany any an-danitra. Ny datin'ny 02 ôktôbra moa efa lasa, fa misy ihany koa ireo tetiandro izay milaza fa ny 12 ôktôbra no ahatsiarovana azy, eo ireo milaza fa ny 18 aogositra.

Teraka ny 15 mey 1850 izy, tao Beyzymy Wielkie, akaikin'ny ranomasina baltique, Ukraine amin'izao fotoana izao moa izany toerana izany. Rehefa vita ny fianarana nataony tao amn'ny lycée tao Kiev dia niditra tao amin'ny noviciat an'ny Fikambanan'i Jesoa tao Stara Wies izy ny 10 desambra 1872. Nandalina ny filôzôfia sy ny teôlôjia tao Cracovie izy ka ny 26 jolay 1881 no nohamasinina ho pretra. Ny iraka voalohany nampanaovina azy dia ny hiasa tao amin'ny sekoly tany Tarnopol sy Kirov, ary nanabe tanora no nataony tao tamin'izany. Nandritra izany fanabeazana nataony tao izany no nitsiry tao aminy ny faniriana hikarakara ny boka. Nomen'ny lehiben'ny fikamabanana, ny Pére général, Luis Martin alalana izy ka nirahiny ho aty Madagasikara ny taona 1898, ary nalefa hiasa tao amin'ny fitsaboana boka tao Ambahivoraka.

Olona voan'ny aretina habokana dimampolo amby zato, niaina tao anatin'ny fahantrana ara-batana sy ara-panahy, nitofezaky ny hanohanana sy ny aretina, tsy mba nahazo fitsaboana na dia izay fikarakarana faran'izay kely fotsiny aza no novantaniny tao amin'izany toerana izany. Mafy ny nanjo azy, niaina ny fofona maimbo vokatr'ireo nofo efa lo, ary matetika izy no safotra, ka ny fomba niadiany tamin'izany dia ny vavaka hatrany. Voarakitra ao amin'ny iray amin'ireo taratasy nosoratany ny hoe : "Na andro, na alina dia miara-miaina amin'ny marary aho. Fa na eo aza ny fahasimban'ny endrik'izy ireo noho ny aretina, dia rahalahinay sy anabavinay izy ireo, ary mila fitsimbinana avy aminay". Efa-taona izy no tao Ambahivoraka, avy eo nividy tany ka nanorina hôpitaly tao Marana Fianarantsoa, ary nampitondrainy sy nankininy tamin'i Notre-Dame de Czestochowa io trano fitsaboana io. Nandritra ny  efatra ambin'ny folo taona dia tsy nitsahatra nanolo-tena sy ny heriny rehetra, ny fony sy ny fahaizany ho an'ireo mararin'ny habokana ireo i mompera Jan Beyzym. Isan'ireo mpialoha lalana nanova ny fomba fisainan'ny olona izy mba tsy hanilikilika ny olona voan'ny habokana. Izy no nankahery ireo mahanatra mba hifanampy amin'izy samy izy, sy nanorina toerana hitsaboana ireo marary, indrindra fa namerina tamin'izy ireo ny hasina sy ny fanantenana.

Tao Marana, tao Fianarantsoa, toerana izay nandaniany ny herim-pony no nodimandry i mompera Jan Beyzym ny 02 ôktôbra 1912. Hoy izy hoe : "Any amin'ny tanindrazantsika no ahafahana manantena ny tena voninahitr'Andriamanitra lehibe indrindra sy famonjena ny fanahy. Na aiza na aiza iainantsika, ny tena zava-dehibe dia ny maty amin'ny fanompoana ny Tompo Jesoa. Mangataka izany fahasoavana izany aho, ho ahy sy ho an'ny faritra rehetra misy antsika". Marihana fa ity taratasy ity dia nosoratany ho an'ireo rahalahiny tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Amin'ny fotoana nifanojoany amin'ny olana dia ny vavaka sy ny Eokaristia no nahitany fankaherezana. Ny 18 aogositra 2002 izy no nasandratry ny papa Joany Paoly II ho olontsambatra.

Ny trano fitsaboana ao Marana Fianarantsoa izay naorin'i mompera Jan Beyzym dia vokatry ny fanomezan-tanan'ireo mpiray tanindrazana taminy. Mbola tsangam-bato, mampahatsiahy ny soa vitany izany ankehitriny. Nisy ny fanatsarana nataon'ny fikambanana Raoul Follereau ka nanjary nisy trano fandidiana ao sy trano fitsaboana ho an'ny marary dimampolo amby zato.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...