05 ôktôbra — Teraka tao Głogowiec tao Pologne ny 25 aogositra 1905 i Faustine. Hélène no anarany ary zaza fahatelo amin'ny zaza folo izy. Tantsaha mahantra ny fianakaviany. Teo amin'ny fahafito taonany izy no naheno ny fiantsoana azy ho relijiozy.

Vao dimy ambin'ny folo taona monja izy, izany hoe telo taona no mba nianarany tany an-tsekoly, dia tsy maintsy niasa hanampiany ny fianakaviany. Resy lahatra tamin'ny fiantsoan'Andriamanitra i Hélène tamin'io fahadimy ambin'ny folo taonany io. Tamin'izany ihany koa no nahitany voalohany an'i Jesoa nijaly. Nankany Varsovie izy ary nandom-baravarana tamin'ireo fikambanan-drelijiozy tao an-tanana fa nandà azy avokoa ireo fikambanana ireo. Teo amin'ny faharoapolo taonany izy vao noraisin'ny fikamaban'ny Soeurs de Notre-Dame de la Miséricorde, ka ny 01 aogositra 1925 no nandraisany ny anarana hoe Marie Faustine. Ny 30 aprily 1926 no nanononany ny voady ka nitondrany ny anarana hoe Marie Faustine du Saint Sacrement.

Namabrany fa nahita an'i Kristy tao amin'ny afo fandiovana izy. I Jesoa sy i Maria, ary niresaka taminy ihany koa. Nambaran'i Jesoa taminy ny tokony hataony dia ny hanely manokana ny famindrampon'Andriamanitra. Ny 22 febroary 1931 àry, niseho taminy tao Płock i Jesoa, niakanjo fotsy toy ny Mpanjakan'ny Famindrampon'Andriamanitra, ny tanany havanana miakatra manome tso-drano, ary ny tanany havia apetrany eo amin'ny fony. Eo ambanin'ny akanjony, misy tara-pahazavana roa lehibe, ny iray mena, ny iray fotsy. Mba hanatanterahana io iraka io àry, dia nanao sary hosodoko mitovy amin'io fahitana io i Faustine ka i mompera Michel Sopoćko no nanampy azy. Nozarainy tao Cracovie tao Wilno io sary io ary anomboka nanaja sy nivavaka ny olona. Nanoratra diary i Faustine, io ilay aparitaka amin'izao fotoana izao, mitondra ny lohateny hoe : "Miséricorde divine dans mon âme, Le journal de Sainte Faustina". Niangavy azy i Jesoa mba hanaja ny ora nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana isaky ny amin'ny telo tolakandro. Hita tao amin'ny diary izany, hoy i Jesoa : "Amin'ny telo tolakandro, angataho ny famindrampoko, indrindra ho an'ireo mpanota, ary na dia amin'ny fotoana fohy indrindra aza dia iaino ny fijaliako. Io no oran'ny famindrampo lehibe ho an'izao tontolo izao. Amin'io fotoana io no tsy haiko ny handà ireo fanahy mivavaka amiko". Ny taona 1936, narary mafy i Faustine, voan'ny raboka izy ka nafindra tao amin'ny hôpitaly tao Prądnik Biały. Nivavaka nandritra ny fotoana maro izy, nanao ny raozerin'ny famindrampon'Andriamanitra ho an'ny fibebahan'ny mpanota. Ny taona farany niainany dia nanoratany ny diary. Ny volana jona 1938, tsy afaka nanoratra intsony izy ary ny 05 ôktobra 1938 izy no nodimandry.

Marihana fa ny 08 aprily 1993 no nasandratry ny papa ho olontsambatra izy, ary ny 30 aprily 2000, tao Rome ny papa Joany Paoly II no nanambara amphibemaso fa olomasina i Faustine. Nanomboka i taona io ihany koa ny alahady faharoa amin'ny Paka dia natokana ho fankalazana ny famindrampon'Andriamanitra, ka ny nakalazana izany voalohany dia ny 22 aprily 2001.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...