19 septambra — Tao amin’ny diosezin’i Greneoble tao amin’ny tendrombohitr’i La Salette no niseho i Masina Maria ny 19 septambra 1846. Tovolahy kely 11 taona sy tovovavy kely 14 taona no nofidian’i Masina Maria hilazana ny hafatra. Mpiandry ondry izy ireo : i Maximin Giraud ilay tovolahy kely sy i Mélanie Calvat kosa ilay tovovavy.

Araka ny fitantaran’i Maximin dia ny mitatao vovona no niseho tamin’izy ireo i Masina Maria raha izy mianadahy ireo teo amin’ny tendrombohitra hisakafo antoandro. Marihana fa tsy nifankafantatra izy ireo raha tsy andro iray talohan’ity nisehoan’i Masina Maria ity. Fa tamin’io fotoana io niato tsy nihinana i Mélanie ary latsaka teny an-tanana ny tehina ; nataotra izy niteny tamin’i Maximin hoe “Hitanao ve io hazavana lehibe io”. Dia samy nibanjina izy ireo ary hitan’izy ireo fa toa nihalefy ny herin’ny masoandra, ary nisokatra ilay masoandro ka hitan’izy ireo tao anatin’ilay masoandro ny vehivavy anankiray mamiratra. Teo amin’ny 20 metatra teo ho eo ny elanelan’izy ireo tamin’izany. Ary nisy feo malefaka niteny tamin’izy ireo hoe : “Manatona ry zanako, aza matahotra, tonga eto aho mba hilaza vaovao lehibe”. Afaka teo ny tahotr’izy ireo ka niahazakazaka nanatona ilay vehivavy izy, ary ilay vehivavy koa nanatona azy ireo ka nijanona 10 santimetatra tsy hipaika tamin’ny tany.

Raha fintinina ny hafatra tamin’ity fisehoana ity dia hoe : raha tsy mibebaka ny olombelona dia hiseho ny mosary satria ho ratsy ny vokatry ny tany. Nalahelo noho ny ataon’ny olombelona i Masina Maria ary mitalaho mafy mba tsy hilaozan’ny zanany ny olombelona, mivavaka tsy an-kijanona izy, fa tsy manao na inona na inona ra olombelona, hany heriny nanafatra an’i Maximin sy i Mélanie hoe : “Ataovy tsara ny vavaka rankizy, ny maraina sy ny hariva, rehefa tsy manam-potoana ianareo dia manaova fara fahakeliny Rainay any an-danitra iray sy Arahaba ry Maria iray, ary rehefa manana fotoana kosa dia ataovy misimisy izany vavaka izany”. Nomarihan’ity vehivavy ity tamin’izy mianadahy ireo fa vehivavy efa mahazohazo taona vitsivitsy no mba mamonjy ny Sorona Masina, ny hafa miasa rehefa alahady, ary ny sasany raha misy mankany am-piangonana aza dia toa maneso ny fivavahana fotsiny. Ny karemy aza moa dia mankeny amin’ny mpivaro-kena toy ny amboa ihany koa izy ireo. Tamin’ity fanafatrafarana an’i Maximin sy Mélanie ity no nananaran’i Masina Maria azy hoe : “Mandehana ry zanako lazao amin’ny vahoaka rehetra izany.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...